• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Tsara Ho Fantatra
Image
Vaovao

Voka-pifidianana tany amin’ireo SRMV nisy nandoro : Ny HCC no tompon’ny fanapahan-kevitra

11/06/2024 15:03 © Moov.Mg

Nitrangana voina ny zotram-pifidianana Solombavambahoaka notanterahina tamin’ny 29 mey lasa teo, raha tsy hilaza afa-tsy ny fahamaizan’ny sampana mpanisa vato (SRMV) tany amin’ny Distrikan’i Tsihombe sy Tsiroanomandidy. Nanazava ny fomba nikirakirany ny voka-pifidianana tany amin’ireo Distrika ireo ny Vaomieram-pirenena Mahaleo Tena misahana ny Fifidianana (CENI) androany.

Antontan-taratasim-pifidianana

Noho ny fandoroana nitranga tao amin’ny foiben’ny SRMV Tsihombe tamin’ny 31 mey dia nisy birao fandatsaham-bato 122 isa tsy nisy vokatra, noho ny fahamaizan-ireo antontan-taratasim-pifidianana, na dia nanatanterahana fifidianana aza tany an-toerana. Araka izany, tsy voarakitra tao anatin’ny vokatra vonjimaika navoakan’ny CENI androany, ny vokatra azo tany amin’ireo birao fandatsaham-bato 122 ireo. Tany amin’ny SRMV Tsiroanomandidy ihany koa dia nisy nandoro ny foiben’ny sampana miandraikitra ny fanisam-bato, tamin’ny voalohan’ny volana jona. May nandritra izany ny sasany tamin’ireo antontan-taratasim-pifidianana natokana ho an’ny SRMV sasany. Na izany aza, efa tafiditra tao anaty solosaina mialohan’ny nitrangan’ny voina ireo vokatra, ka noraisina ho ao anatin’ny vokatra vonjimaika navoakan’ny CENI androany ny vokatra azo tamin’ireny birao fandatsaham-bato ireny.

Andraikitry ny HCC

Momba ireo voka-pifidianana tsy azo noraketina, noho ny tsy nahafahana nikirakira ny taratasim-pifidiananadia nanambara ny CENI fa tsy afaka manafoana ny voka-pifidianana, noho ny lalàna velona, fa anjaran’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ny mandray ny fanapahan-kevitra momba izany. Ny azon’ny CENI natao dia ny tsy nampiditra azy ireo tao anatin’ny voka-pifidianana vonjimaika izay nampahafantarina androany. Ankoatra izay dia nisy endrika tsy fanarahan-dalàna nandritra ny androm-pifidianana, ka nandray ny andraikitra tandrify azy ny CENI. Mbola anjaran’ny HCC ihany koa ny mandray fanapahan-kevitra manoloana ireo tsy fanarahan-dalàna ireo. Tahaka izany koa ny momba ireo tsy fahatomombanana tsikaritry ny SRMV sy ireo fitoriana naterina teny amin’ny CENI sy ireo sampana miandraikitra ny fanisam-bato, izay efa nampitaina teny anivon’ny HCC ny antontan-taratasin’ady.

Lire la suite

Articles Similaires