• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Tf1 Info
Image
Sexualité & Mariage

Tokantrano maro anaka : torohevitra mampadio sy milamina ny trano

11/06/2024 10:39 © Moov.Mg

Isan’ireo raharaha mandany fotoana sy mamizaka ny fanadiovana sy ny fampirimana trano. Sarotra nefa ny mitazona ny trano madio sy milamina, indrindra ho an’ny tokantrano maro anaka. Ho an’ireo tsy afaka ny hanadio sy hampirin-trano isan’andro ary dia ireto misy torohevitra manampy mba hampadio sy milamina hatrany ny trano.

Hazavaina ny ankizy ny maha zava-dehibe ny fahadiovana sy ny filaminan’ny trano

Dieny mbola kely ny zanaka dia ampianarina ny maha zava-dehibe ny fahadiovana sy ny filaminan’ny trano. Hazavaina azy hoe miaro amin’ny aretina samihafa ny miaina anaty trano madio. Mampilamina ny saina sy mahafinaritra ny maso ny mahita trano milamina tsara. Etsy andaniny mila mampiseho ny ohatra tsara ihany koa ny ray aman-dreny amin’ny fanajana mandrakariva ny fahadiovana sy ny filaminan’ny trano. Ohatra amin’izany ny fanaromana ny fandriana rehefa mifoha, ny famerenana ny zavatra eny amin’ny fitoerany, ny fanadiovana ny lovia sy sotro avy nampiasaina… Manaraka ho azy izany ny zanaka rehefa zatra mahita izany fahazarana izany.

Manao sivana ireo entana tsy ilaina intsony

Anisan’ireo zavatra mampikorontana ny trano ny fitahirizana ireo entana tsy ilaina intsony. Tafiditra anatin’izany ny fitaovana sy kilalao efa simba, ny ankanjo sy lamba tsy ilaina intsony… Mba hanamora ny fanadiovana sy ny fampirimana trano dia sivanina avokoa ireo zavatra tsy ilaina ireo. Maro ny fomba ahafana manala izany ao an-trano toy ny hoe omena olona, amidy na koa ariana raha efa tena tsy azo ampiasaina intsony. Ezahana mba ireo entana tena ilaina ihany no tahirizina.

Ampitomboana ireo fitoerana ampiriman’entane ao an-trano

Sarotra ny mitazona ny trano ho madio sy milamina raha toa ka tsy ampy ireo fitoerana ampiriman’entana. Lasa mora miparitaka daholo ireo zavatra tsy manana fitoerany manokana na koa mety tsy antonona ao amin’izay fitoerana tokony ampiriman’azy. Ezahana ampitomboana arak’izany ireo toerana fampiriman-damba, kilalao, fitaovan-dakozia, fitaovana amin’ny trano fidiovana… Na ny ankizy ary mazoto kokoa mampirina ny kilalaony sy ny fitaovany any am-pianarana rehefa misy fitoerana manokana natokana ho an’izany. Tsy adinoina ihany koa ny manisy ireny « tapis » famafana tongotra ireny mba hampihena ny vovoka miditra ao an-trano.

Atao mandray anjara amin’ny fanadiovana sy fampirimana ny ankizy

Mba hanazarana ny ankizy amin’ny fitandrovana ny fahadiovana sy ny filaminan’ny trano dia mila atao mandray anjara amin’izany fanadiovana sy ny fampirimana izy ireo dieny mbola kely. Atao mifanaraka amin’ny taonan’ny tsirairay kosa nefa ny andraikitra sahaniny. Afaka asaina mandroaka ny kilalao amin’ny tany sy manary ireo fako madinika eny amin’ny fitoeram-pako ao an-trano ohatra ny zaza manomboka ny faha 2 taonany. Rehefa feno 4 taona dia afaka asaina mampirina ny kilalao sy ny entany ao amin’ny efitrano fatoriana, manatitra ny akanjony maloto ao amin’ny fitoeran’izany… Ireo efa lebebe kosa efa afaka mamafa trano sy manampy amin’ny fanasana lovia.

Manokana fotoana fanadiovana sy fampirimana ny trano

Mazava ho azy fa na eo ary ireo fahazarana maro mitandro ny fahadiovana sy ny filaminan’ny trano amin’ny andavanandro dia mila maka fotoana ihany koa nefa hanadiovana sy hampiriman-trano. Misy ireo raharaha tsy maintsy atao isan’andro toy ny fanasana lovia, ny fampirimana fandriana… Rehefa faran’ny herinandro kosa mamafa sy manasa ny trano, manasa ny lamba, mampirina ny fitoeran’akanjo, manasa ny fitaraka… Raha voahaja avokoa ireo voalaza rehetra ireo dia tokony hijanona madio sy milamina hatrany ny trano na dia maro anaka sy misy ankizy madinika aza.

Lire la suite

Articles Similaires