• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mae
Image
Vaovao

Michael Gerhard Karl Häusler, Masoivohon'i Alemaina : notolorana mari-boninahitra, noho ny asa vitany

11/06/2024 16:03 © Moov.Mg

Notoloran’ny Fanjakana malagasy mari-boninahitra, tamin’ny alalan’ny ministeran’ny Raharaham-bahiny, Atoa Michael Gerhard Karl Häusler, Masoivohon'ny Repoblika Federalin'i Alemaina nonina sy niasa teto amintsika, omaly. Mifarana moa, ny iraka ataony eto Madagasikara.

Firenena mpiara-miombon’antoka

Ny volana jolay 2022 no nanolotra ny taratasy manendry azy ho Masoivohon'ny Repoblika Federalin'i Alemaina azy eto Madagasikara i Michael Gerhard Karl Häusler. Roa taona aty aoriana, mifarana ny asa ara-diplaomatika tanterahiny eto amintsika, ary izao notolorana mari-boninahitra izao izy, ho mariky fankasitrahana azy. Nasongadin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, nandritra ity lanonana ity, ny anjara toeran’i Alemaina amin’ny mahampiara-miombon’antoka lehibe azy eto Madagasikara. Nitondra ny fankasitrahan’ny fitondrana malagasy ihany koa izy, noho ny fiaraha-miasa navitrika niarahan’ny firenena roa tonta. Tetsy an-daniny, andriamatoa Masoivohon’i Alemaina dia naneho ny fankatelemany, noho izao fanomezam-boninahitra nomena azy izao. Nisaotra ny minisitra Rasata Rafaravavitafika ihany koa izy, noho ny finiavan’ity farany nampiroborobo ny fifandraisana teo amin’i Madagasikara sy Alemaina.

Fiaraha-miasa mafy orina

Nanamafy ny fanirian’i Madagasikara hanohy hatrany sy hanamafy izany fiaraha-miasa izany ny minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy, amin’ireo sehatra laharam-pahamehana ho an’ny fampandrosoana ny firenena. Notsipihin’ity diplaomaty ity kosa fa mijanona ho mpiara-miombon’antoka lehibe sy azo antoka ho an’i Madagasikara ny Repoblika Federalin'i Alemaina, amin’ny sehatra isan-karazany, toy ny fampandrosoana, ny fanampiana ny mpiara-belona, ny toekarena, ny siansa, ny tenim-pirenena, ny kolontsaina sy ny maro hafa. Nanamafy ny faniriany hahamafy orina kokoa ny fifandraisana eo amin’ny firenena roa tonta Atoa Michael Gerhard Karl Häusler, indrindra eo amin’ny lafiny ara-toekarena.

Lire la suite

Articles Similaires