Vous êtes ici

Aminao , aiza no tokony hirona ny fitiavana, vokatry ny fo fa ts mieritreritra izay harena ve sa fitiavana miankina amin'ny fari-panan'ny olona miaraka aminao? omeo ny hevitrao

Par : Maelys
Asakasaky ny tsirairay io
Asakasaky ny tsirairay io resaka fitiavana io; raha olona misy tanjona izao dia mijery ny fari-panan'ilay olona iarahany izy, izany oe te iadana ka ny vola no loha laharana aminy! Raha olona mahatsapa ny tena fitiavana kosa anefa, na itany fa somary ambany aza ny fari-panan'ilay olona miaraka aminy dia vonona izy ny hiaraka aminy ary hanampy azy amin'ny fiainan'izy ireo miaraka!
Par : Niaina22
Marina mihitsy io voalaza eo
Marina mihitsy io voalaza eo ambony io! Ny tena tokony hironan'ny fitiavana dia ny vokatry ny fo fa tsy ny fitadiavana vola! Tsarovy fa aleo miara mihary ami'ny fiainana toy izay mitavana ny harenan'ilay olona miaraka aminao satria azy iny fa tsy anao ka mety ho foana toy ny tsy misy ao anatin'ny fotoana tsy eritreretinao!
Par : Miaina_fitiavana
Efa voalazan'ny baiboly io ao
Efa voalazan'ny baiboly io ao @ Tononkiran'i Solomon 8:7 io. Fa tsy hahita fahasambarana mihitsy izay olona mivarotra na mividy fitiavany. Tsy maintsy olana no hiafarany na ahoana na ahoana (ary marina foana ny tenin'Andriamanitra). Efa olona marobe no efa hitako niaina tamin'io fa eeeee !. Tsy maintsy mifanitsaka ary miafara amin'ny fisarahana daholo (ny sasany aza mifamono misy maty mihitsy), dia ilay zaza niraisana no victime. Koa diniho tsara ihany ry tanora isany, aleo izay tena vokatry ny fitiavana no hidirana fa ny vola efa nataon'ny devoly fitaovana handravana sy hanakorontanana ny fiainan'ny zanak'olombelona raha tsy hay ny mifehy azy.

Ajouter un commentaire

3 + 4 =
Trouvez la solution de ce problème mathématique simple et saisissez le résultat. Par exemple, pour 1 + 3, saisissez 4.