
Vous êtes ici
Miarahaba ny rehetra ny tenako
Mitady fanampiana aminareo namana rehetra ny tenako (tsy voatery ho vola akory izany fa na hevitra na vavaka dia tena ilaiko tokoa) satria marary ny vadiko, rehefa nentina niditra hopitaly izy izay resaka glycemie miakatra no tena nidirany dia nampanaovin'ny docteur fond d’œil izahay. Teo no hita fa miakatra be ny tension oculaire-ny (72 ono nefa eo @ 16 eo no normal) ary tapaka ny lalan-dra eo @ masony gauche "glaucome néovasculaire" no mahazo azy ary tsy azo avotana intsony io masony io fa tsy afaka ny hahita intsony saingy mila vonoina maika be satria manaintaina azy ny lohany havia rehetra sy io masony io noho ny ra mivaingana ao @ lohany nefa hatreto noho ny tension-ny sy ny glycémie mbola ambony loatra dia mbola tsy afaka manao izany izy ireo fa asainy mampiasa collyre sy minana fanafody izay tena sarotra tadiavina no lafo vidy (eo ho eo @ 116000Ar isaky ny 6jours ny valeur-ny).
Ny masony havanana kosa dia "décollement rétinien" no mahazo azy ary mila didina farak'izay haingana mba hisorohana ny fahajambana tanteraka satria efa tena manjavona io masony io @zao.
Hopitaly iray eny Ambatoroka ihany no mahavita io chirurgie io eto Madagascar. Niezaka nanontany ireo clinique sy institut maro hafa izahay niala nenina satria tena tsy zaka ny prix t@ proforma nomen'ilay hopitaly teny Ambatoroka io (eny tonga hatrany @ province) saingy nilaza avokoa izy ireo fa tsy misy mahavita io "décollement" io fa ra tsy hande eny Ambatoroka dia entina any ivelany.
Eo indrindra ny olana satria ny maso izany dia tena ilaina eo @ olombelona, hatreto aloha dia ny hoenti-manana no tsy ampy ka izany no iangaviako fanampiana aminareo namana sao mba mahita moyen ianareo fa tena veri-hevitra izahay.
Dia misaotra anareo mialoha ny tenako
- Créé par le 06/08/2019
- Connectez-vous
Pages
Ajouter un commentaire