Vous êtes ici

Miarahaba antsika rehetra !
Tsy haiko ianareo raha mba nandinika fa izaho dia variana saiky ny tanora nivady nandritra ny 2 h@ 5 taona no mandeha mamono soratra eny @ fitsarana.
Tena tsy ampy ve ny fizahan-toetra alohan ny mariage?
,sa tena tsy nandinika tsara alohan ny nidirana ka sendra ny onjam-piainana dia lasa samy hanavotra ny tenany?
,sa ny fahamatorana no tsy mbola ampy ka na efa mana-tokantrano aza,ny rendrarendra koa tsy foy?
Misokatra malalaka ny ady hevitra,indrindra ho anareo tafiditra anatin'izay.
Inona no tena olana ??? mba ahafahantsika manome torohevitra ny hafa izay mitady ho tratran ny fakam-panahy koa.
Misaotra mialoha ho an izay rehetra handray anjara.

Par : Nah
Amiko manokana dia tsy
Amiko manokana dia tsy mifankahalala toetra ny olona raha tsy miaramipetraka satria afaka mifampiatsaravelatsih avant mariage, zany hoe ny tsara ihany no aseho. Raha araka ny baiboly indray dia rehefa tsy ilay taolana nalaina tamin'ilay lehilahy no miverina aminy dia hikorontana fona, kiraro aza anie misy pointure e. Ny fijerena ilay hoe tena silakao tokoa ve ilay olona no clé mahasambatra. Ny olana misy foana fa raha tena ilay silakao tokoa no miaraka aminao dia milamina ny fiainana
Par : anonyme
Maika hatao mariage dépense
Maika hatao mariage dépense 300 millions fotsiny e, avy eo anefa na ny manasa vilia aza tsy hay, everin'ny sasany fa bisous bisous eraky ny trano angamba ilay atao hoe manambady. Amiko, diso pepoina lotra ny ankizy dieny mbola kely oe réussite= manambady; dia lasa miraparapa ny tanora hanorina tokatrano mba hanamboninahitra izy sy ny RAD, avy eo miara afabaraka. Ampo mieritreritra tompoko
Par : Jason
Mdr :-) :-) ry anonyme; tiko
Mdr :-) :-) ry anonyme; tiko be lay fanehoan-kevitra !! hahahaha...
Par : Anonyme (non vérifié)
Ny ankabeazan'ny ankizy
Ny ankabeazan'ny ankizy varina amin'ny hoe "fitiavana" fa tsy misy fantatra ilay atao hoe tokatrano. Dada sy neny no miantoka ny mariage, sy ny akanjo sakafo vilany po ba slipo, dia avy eo vo gaga ref tsy mahita hoanina, dia tonga ny zaza dia tsy d misy RS d hoe tsy mifankatia. Ny fanabeazana no mila havaozina eo am tokatrano tsirairay, raha mtondratondra sipa ny zanatsika lahy, sahitsika ve ny manontany hoe velomin'lah am'in iny zanak'ol iny. Rah zanaka vavy: mety manana frais taxi hodiana ve ianao raha ilaozany tampoka? Mety extrême ilay teneniko, fa izany no zava-misy, au moins stable financièrement fa tsy hoe vita bacc dia manambady. Ny stable aza moa mbola be problème koa mainka fa ny sahirana? Ny sasany ndray oe "manja" na "bogosy" lé olona dia faka vady , d alaina vady. Avy eo miteraka iray na accidenté dia rapa ny tarehy dia eo vo tonga saina. O ry tanora ah, tsy izany anie no atao hoe Fitiavana AGAPE e, tsy famenoana ny banga na irak'i dada sy neny maika itaiza zafy ny fanambadiana
Par : Anonyme
Ary misy mana-talenta @
Ary misy mana-talenta @ fanehoana hevitra mihitsy hay isika ! Mankasitraka @ fampieritreretana aloha fa tena misy hotsakotsakoina tokoa ireo izay voalaza rehetra eo ambony ireo. Mbola manantena ny fandraisana anjaran'ny hafa koa mba ahafahantsika manampy ireo izay mitady ho tratran'ny fisaraha-panambadiana.
Par : loza aminatambo
Izay nanao ny soratra ihany
Izay nanao ny soratra ihany no nanao ny divorce : foano ny soratra dia foana hoazy ny divorce , ny ray amandreny mapirisika ny zanany hanambady no anisany olana amin'ny lalànan'ny tokantrano satria tsy mandeha araka ny voajanahary ny fitiavan'ireo zanany : "aleo @ zay aky ndry manambady fa i .... sy i ... aza efa niteraka ! jereo izy manana fiara , trano ,...."
Par : kalie
amiko aloha zany tsy mila adi
amiko aloha zany tsy mila adi hevitra e, le miaina azy no mahafantatra hoe ina no nitranga fa matoa misy fisarahana de nisy olana tao fa za tsy mino hoe , resaka rendrarendra ny fisarahana , indrindra raha misy ankizy , fa za raha misy olona misaraka manodidina ahy de tsy miditra za satria fiaindry zareo zany , tsy mety mitsabaka tokantranon'olona amiko
Par : loza aminatambo
ary tokony mba hisy koa ny
ary tokony mba hisy koa ny andron ny fisarahana eny @ fitsarana malagasy manerana ny nosy malalatsika ity ka ohatra hoa ity volana septambra ity dia hisy ny andro ho "fisarahana faobe" atao ao anosy ;ka izay mpivady hisaraka dia hasaina ho tonga ao ! karapanondro ihany no ilaina ! tsy mila fanamarinamponenana ! mivoaka eo no eo ny acte de divorce ka mitondrà madinika hanaovana photocopie ! sarany dimanjato ariary afaka aloha mvola,orange money,...!
fiber_manual_record rahazahenao
Dernière visite: Il y a 3 weeks 4 days
A rejoint: juin 19, 2018
Fa indraindray koa anie
Fa indraindray koa anie voatery tsy maintsy nivady hono satria bevohoka tampoka ny vavy e ! Na dia tsy mbola nivonona ny @ izany akory aza: Na ny saina,na ny fo,na ny vatana,na izay asa mety hamelomana ny tokantrano akory aza. Dia vao mandeha kely fotsiny ny fotoana ao an-tokantrano dia lasa gidragidra lava. Rehefa samy tsy mahatanty tsy maintsy oe misaraka ihany izany no hiafarany !
Par : irena Kelly
Salama daholo. Nahita
Salama daholo. Nahita fanehoan-kevitra avy amin'ny olona efa nahazo ny trosany amin'ny JAMES MICHAEL LOAN SERVICES aho ary avy eo dia nanapa-kevitra ny hampihatra eo ambanin'ny soso-kevitr'izy ireo aho ary vao ora vitsy lasa izay dia nanamafy tao amin'ny kaontin'ny bankiko manokana aho 50 000 euro izay nangatahiko. Tena vaovao tsara tokoa izany ary manoro hevitra ny olona rehetra izay mila fampindram-bola tena izy amin'ny alàlan'ny *******aka (jamesmichaelloanservices@yahoo.*******) na ny Whatsapp +16314912234 Faly aho izao fa nahazo ny fampindram-bola nangatahiko.

Pages

Ajouter un commentaire

13 + 5 =
Trouvez la solution de ce problème mathématique simple et saisissez le résultat. Par exemple, pour 1 + 3, saisissez 4.