Vous êtes ici

Ankoatry ny fihariana sy ny sakafo dia misy tombotsoa maro azontsika amin'ny ranomasina. Efa misy fikarohana any ny hamadihana azy ho rano fisotro madio, ao koa ny hamadihana azy ho angovo. Ny tombony ara-pahasalamana no asiana resaka.
1) ny filomanosana 12-15 minitra isan'andro dia efa ahazoana mineraly ho an'ny vatana mivantana. Mihalehibe ny hirika kely amin'ny hoditra ka miditra eo ny potasioma sy manezioma ka mamonjy ny nofo avy hatrany, ny kalsioma kosa mamonjy ny taolana.
2) mitazona ny hatanorana izany hoe tsy malaky antitra
3) manatsara hoditra, manamandina azy, manamora ny fahasitranan'ny fery no ho ny fanitso (zinc) entiny sy ny sira efa taharony rahateo.
4) manala havizanana, mampihena ny fanaintainana
5) mampitony, miaro amin'ny rari-tsaina (anti-stress) no ho ny feon'ny onjan-dranomasina, na ilay fitsingevanana iny fotsiny aza rehefa milomano
6) mampikoriana tsara ny ra satria efa fanatanjahan-tena feno rahateo ny lomano
7) mitondra hery fiarovana. Tsy velona anaty ranomasina ny viriosy na ny bakterian'ny olombelona
8) tsy mampaninona raha nahatelina ranomasina kely aza
9) ny tongojaza malemy ajoro anaty fasika eny amoron-dranomasina mba ho mafy
10) fanaon'ny vehivavy tsy mahazo zaza koa ny manisy fasika ny kibony, dia somary milona kely (fa ny morontsiraka atsinanana ihany)
Lava ny morontsiraky ny Nosintsika, raha afovoan-tany ianao, manaova fakan-drivotra any an-dranomasina fa tsy ho maty antoka akory.

Par : Anonyme
misy milaza koa fa mampahia
misy milaza koa fa mampahia ny misotro ranomasina fa mbola hasiako fanadihadiana kely
Par : sin
Manasitrana ranomasina.
Manasitrana ranomasina. Lomana ranomasina ny fery fa ho sitrana. Sitrana=janga ary izay no nahatonga ny anaran-tanàna hoe Mahajanga
Par : tif
ankafizo ny fialan tsasatra
ankafizo ny fialan tsasatra eny amoron-tsiraka
Par : andou
merci bcp !
merci bcp !
Par : sa
aiza ny plage fandananareo
aiza ny plage fandananareo matetika? misy le ranomasina sasany tena masira be tsy zaka toa an Vatomandry

Ajouter un commentaire

1 + 0 =
Trouvez la solution de ce problème mathématique simple et saisissez le résultat. Par exemple, pour 1 + 3, saisissez 4.