• Cours de change
  • 5021.37 AR
  • |
  • $4443.27 AR
Copyright Image : © Les Echos
Image
Reny&Zaza

Torohevitra tsy hampitomany ny ankizy rehefa tapitra ny fotoana hijereny « écran »

07/05/2025 13:20 © Moov.Mg

Isan’ireo zavatra mahavariana ny ankizikely tokoa ankehitriny ny « écrans », indrindra ny finday avolenta, ny fahitalavitra sy ny « tablette ». Matetika dia mitomany be sy midongy izy ireny rehefa pihina na alaina eny aminy ireny fitaovana ireny. Ireto manaraka ireto àry ny torohevitra manampy mba tsy hampitomany ny ankizy kely rehefa tapitra ny fe-potoana ahafahany mijery « écran ».

Ahoana ny fiasan’ny atidohan’ny ankizy rehefa mijery « écrans » ?

Rehefa mijery « écrans » na milalao eo amin’izany ny ankizy dia mamokatra hormonina atao hoe « dopamine » ny atidohany. Io hormonina io no atao hoe « hormone du plaisir ». Izany hoe mahazo fahafinaretana sy falifaly izy mandritra io fotoana io. Rehefa pihina tampoka ilay « écran » na esorina aminy dia afaka tampoka ihany koa io fahafinaretana sy fahatsapana falifaly ao aminy io ka lasa mampikorontana ny toe-pony. Ny ankizy nefa, indrindra ireo latsaky ny 6 taona, dia mbola tsy mahay mifehy ny « frustration » na ny fahaizana miova « activités » roa samy hafa. Noho ireo antony ireo dia mila azontsika ray aman-dreny io toe-ponin’ny ankizy kely io rehefa alaina aminy ilay « écran ». Izany hoe, mila miomana isika hoe alahelo sy hitomany izy fa tsy ho voatery ho tony be manoloana izany.

Mila apetraka dieny am-boalohany ny fitsipika

Araky ny nambaran’ireo manam-pahaizana dia ny fametrahana fitsipika dieny am-boalohany mikasika ny fampiasana « écran » no fomba manampy indrindra tsy hampitomany ny ankizy kely rehefa tapitra ny fotoana ahafahany mijery na milalao ireny fitaovana ireny. Izany hoe manomboka izy vao avela mijery « écran » voalohany dia efa ampahafantarina azy hoe tsy mahazo mijanona ela eo fa misy fetrany ifanarahana. Satria moa izy tsy mbola mahafantatra ora dia afaka asiana « réveil » ohatra ka rehefa maneno izy io dia fantany hoe tapitra ny fotoana nifanarahana. Mila lazaina minitra vitsy alohan’io fe-potoana io izy mba tsy ho tampoka be aminy izany sy mba ahafahany manomana moramora ny sainy.

Atao tsapany hoe zavatra tsara ny fahataperan’ny fotoana hijereny « écran »

Tsy tokony atao tsapan’ny ankizy kely ho toy ny sazy ny fangalana na fanapihina ny « écran » eny aminy. Tsara raha asiana « rituel de transition », izany hoe fihetsika na fahazarana kely atao miaraka isaky ny tapitra ny fotoana hijereny « écran ». Zavatra mahafinaritra no atao, toy ny hoe miaraka mihira aminy, fihinina izy, manao zavatra mampiala voly azy… Ny tanjona dia mba hanohizana ny fahatsapana finaritra sy falifaly ao aminy na dia tapitra àry ny fijereny « écran ». Afaka anontaniana azy ihany koa ny zavatra tiany atao mba hahatonga azy tsy hanohitra na halahelo rehefa alaina ilay « écran ».

Lire la suite

Articles Similaires