• Cours de change
  • 5091.06 AR
  • |
  • $4425.69 AR
Copyright Image : © May
Image
Fahasalamana&Sakafo

Albinisma: ireo finonoam-poana mikasika ny olona manana toe-tena varira

13/06/2025 10:04 © Moov.Mg

Marihina androany ny andro iraisam-pirenena ho fanentanana momba ny albinisma, izany hoe manana toe-tena varira. Mbola maro ireo finonoam-poana mikasika azy ireny ka mahatonga ny fanilikilihana sy ny herisetra tafahoatra atao azy ireny, indrindra eto Afrika. Mba hiarovana ny zon’ny olona varira ary dia andeho fantarina ireo finonoam-poana sy ny tena zava-misy mikasika azy ireny.

Areti-mifindra hono ny albinisma?

Diso. Marihana fa ny albinisma dia aretina iray vokatry ny tsy fahatomombanana hatrany am-bohoka eo amin’ny sela manome loko ny maso, ny volo sy ny hoditra an’ilay olona manana toe-tena varira. Matetika dia avy amin’ny fototarazon’ny ray aman-dreny no mahatonga azy io. Noho izany dia tsy mamindra amin’ny olona hafa ny aretina albinisma ka tsy misy antony tokony hanilikilihana ny olona varira eny amin’ny fiarahamonina.

Manana hery miafina na tsy araky ny natiora hono ny olona varira ?

Diso. Isan’ireo finonoam-poana mety mitera-doza izany. Eo amin’ny faritra sasany, indrindra aty atsimon’i Afrika, dia heverina fa mitondra harena, vintana sy fahasitranana ny faritra sasany amin’ny vatan’ny olona varira. Io finoana diso io dia nitarika fakàna ankeriny, fandratrana sy famonoana amin’ny fomba feno habibiana varira maro hanaovana sorona. Olona toy ny rehetra ihany nefa ny olona tratry ny albinisma. Noho izany ihany koa dia diso tanteraka ny fiheverana fa ozona na sazy avy amin’Andriamanitra ny fananana toe-tena varira.

Tsy tomombana ara-tsaina ny olona varira ?

Diso. Tsy misy fiantraikany eo amin’ny fahatomombanana ara-tsaina ny albinisma. Manana fahalalana ara-tsaina toy ny rehetra ny olona varira. Marina fa mety hanana olana amin’ny fahitana izy ireny vokatry ny tsy fahampiana « mélanine » eo amin’ny masony, nefa kosa tsy misy fiantraikany eo amin’ny fiasan’ny atidoha izany.

Tsy mahazo tratry ny masoandro hono izy ireny ?

Diso. Marina fa marefo tokoa ny hoditry ny olona varira manoloana ny taratry ny masoandro nohon’ny tsy fahampiana « mélanine », tsy midika kosa nefa izany hoe tsy mahazo mivoaka ny trano izy ireny rehefa misy masoandro. Mila miaro tena amin’ny masoandro tsara fotsiny izy ireo mba tsy ho main’ny masoandro.

Tsy maty hono ny olona varira fa manjavona ho azy ?

Diso. Finonoam-poana matetika ahelin’ireo mpanao ratsy mba hanafenana ny von’olona sy ny fangalarana taova ihany izany. Olombelona nofo sy rà, mitovy amin’ny rehetra ny olona manana toe-tena varira ka mety maty ihany koa. Mba hiarovana ny zon’izy ireny dia mila atsahatra tanteraka ny fihainoana ireo finonoam-poana rehetra ireny sy ny fanaparitahana izany.

Lire la suite

Articles Similaires