Bevohoka : ireo tsara fantatra mikasika ny fitsaboana ny nify marary
Ilaina hatrany ny mikarakara ny fahasalaman’ny nify, indrindra rehefa bevohoka, mba hisorohana ny fanaintainana sy ny mety ho fahasarotana. Tsikaritra nefa fa maro ny bevohoka minia tsy mandeha mitsabo nify noho ny tahotra sao misy fiantraikany eo amin’ny vohoka ny fitsaboana na ny fanalana nify.
Ny fiantraikan’ny vohoka eo amin’ny fahasalaman’ny nify
Mitondra fiovana sy fikorontanana maro eo amin’ny vatana sy ny fahazaram-piainanan’ny vehivavy ny fitondrana vohoka. Mety misy fiantraikany eo amin’ny fahasalaman’ny nify sy ny ativava ihany koa izany.
Ny fiakaranan’ny tahan’ny hormonina, toy ny « œstrogène » sy ny « progestérone » mandritra ny fitondrana vohoka dia mampitombo ny « risques » hampisy « gingivite ». Ankoatra izay, rehefa mandoa, maloiloy na misy « reflux gastrique » matetika ny bevohoka dia mety hitombo ny « acidité » ao anaty vava ary hahatonga fahasimban’ny nify. Misy ihany koa ireo bevohoka sasany lasa te hihinana sakafo sy tsakitsaky mamy matetika. Ny siramamy nefa dia mety mitarika « environnement favorable » amin’ny fihomboan’ny areti-nify.
Etsy andaniny dia misy ireo honohono sy hevi-diso re eny amin’ny fiarahamonina eny hoe trohan’ny zaza ao an-kibo hono ny kalsioma ao amin’ny nifin’ny bevohoka ka izay no mahatonga ny bevohoka ho mora simba ny nifiny. Raha ny marina nefa dia raha mila kalsioma fanampiny ny zaza ao am-bohoka dia ny tahiry ao amin’ny taolan’ny reny no hangalany. Tsy marina arak’izany ny filazana fa « décalcifiée » ny nifin’ny bevohoka no mankarary izany.
Fitsaboana ny areti-nify rehefa bevohoka
Raha tratry ny areti-nify na misy olan’ny ati-vava miseho mandritra ny fitondrana vohoka dia ilaina ny mitsabo izany ara-potoana. Azo atao tsara ny mitsabo nify rehefa bevohoka. Afaka mifampiresaka amin’ny rasazy na ny mpitsabo manaraka ny vohoka ny mpitsabo nify mikasika ny fitsaboana izay ho atao, nefa matetika dia tsy ilaina izany satria ny ankamaroan’ny fanafody ampiasaina dia tsy misy atahorana ho an’ny reny sy ny zaza.
Tsara ihany nefa ny manamarika fa sarotra kokoa ny fitsaboana ny nifin’ny bevohoka mandritra ny telovolana voalohany sy telovolana faran’ny vohoka. Ny telovolana faharoan’ny vohoka matetika no fotoana tsara indrindra hanamboarana na hanesorana nify eo amin’ny bevohoka.
Amin’ny ankapobeny dia amin’io telovolana faharoa io no misinda ny maloiloy sy mbola hafahan’ny bevohoka mitsilany mandritra ny fotoana maharitra. Rehefa amin’ny telovolana faran’ny vohoka tokoa mantsy dia lasa tsy mahazo aina mitsilany maharitra ary tsy dia tsara ho an’ny zaza ao am-bohoka izany satria mety ho voatsindry ireo lalandrà lehibe ka mihena ny fikorian’ny rà mankany aminy.
Na izany aza nefa, ny mpitsabo nify ihany no afaka mamaritra ny mahamaika sy ny ilaina ny fitsaboana ny areti-nify eo amin’ny bevohoka. Raha mbola tsy atahorana loatra ny areti-nify dia afaka miandry rehefa teraka vao mitsabo izany.