• Cours de change
  • 4727.61 AR
  • |
  • $4424.96 AR
Copyright Image : © Thread & Needles
Image
DYI

Torohevitra vitsy hanadiovana ny fera fipasohana

19/04/2024 09:40 © Moov.Mg

Manahirana tokoa ny mampiasa fera fipasohana rehefa lasa miha mavo na miha maloto ny faladian’izy ireny. Matetika moa dia mifindra amin’ny lamba pasoahana ny loto ka mamela fangitra amin’izany. Ireto ary misy torohevitra vitsy sy mora atao hanadionavana ny fera fipasohana.

Fanadiovana ny faladian’ny fera fipasohana niha mavo ny faladiany

Akora iray fampiasa amin’ny fanadiovana ny fitaovana maro ao an-trano ny vinaigitra fotsy. Azo ampiasaina anesorana ny loto miraikitra amin’ny faladian’ny fera fipasohana ihany koa izy io. Tsotra ny fampiasana azy. Atao anaty vera ny vinaigitra fotsy 2 sotro fihinanana ary asiana sira vovony 1 sotro fihinanana.
Aroharoana hifangaro ary io vokatra io no handemana « chamoisine » na « chiffon jaune » ampiasaina hamafana ny faladian’ny fera fipasohana niha mavo na niha matroka ny lokony. Raha sarotra miala ireo loto dia tapohana rano matimaty ilay vinaigitra fotsy sy sira. Io fangaro io no ahosotra amin’ny fera alohan’ny ikosehana ity farany amin’ny « Jex ». Tsy azo kosehina amin’ny « paille de fer » na amin’ny antsy ireo loto fa manjary kiaka ny vodin’ny fera.

Fanesorana ireo loto matevina sy miraikitra be amin’ny faladian’ny fera

Raha toa ka matevina sy miraikitra be ny loto amin’ny faladian’ny fera dia manadio izany haingana kokoa ny « savon de Marseille » afangaro amin’ny vinaigitra fotsy sy vovon-tsira. Atao anaty lovia jobo ny vinaigitra 2 sotro fihinana sy ny sira 1 sotrokely. Kikisana ny « savon de Marseille » fahefan’ilay habeny iny.
Arotsaka anatin’ilay vinaigitra sy sira ary aroharohana hifangaro tsara. Avela hilona kely 15 minitra eo ary io no hanadiovana ilay fera miaraka amin’ny « chiffon jaune » na « chamoisine ». Tandremana tsara mba tsy ho tafiditra anaty « fil ». Azo atao ihany koa ny manolo io fangaro io amin’ny rano 1 vera nasiana karibonetra 1 sotro fihinanana.

Fanalana ny « tartre » manentsina ny « fer à vapeur »

Isan’ny olana matetika mitranga amin’ny fampiasana « fer à vapeur » na ireny karazana fera fipasohana mampiasa entona ireny ny fipoitran’ny « tartre » manentsina azy. Ny rano atao anatin’ny fera no mitahiry « calcaire » ka ity farany no miraikitra sy miha matevina manentsina ireo lavaka kely fivoahan’ny entona.
Mba hanesorana azy ireny dia maka vinaigitra fotsy tapaky ny vera ary tapohana rano tapaky ny vera. Avela hilona mandritra ny alina tontolo. Io fangaro io no atao anatin’ny « réservoir » na ny fitoerana rano anatin’ny « fer à vapeur ». Rehefa maraina dia ariana ilay fangaro io ary soloina rano 1 vera nasiana vinaigitra fotsy 1 sotro fihinanana. Hafanaina ny fera ary hipasohana lamba tsy ilaina aloha hialan’ireo tsentsina. Rehefa afaka tanteraka vao ampiasaina toy ny mahazatra indray.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo