• Cours de change
  • 4727.61 AR
  • |
  • $4424.96 AR
Copyright Image : © Doctissimo
Image
Reny&Zaza

Bevohoka sy ny tontolony : Ireo antony isan’ny mahasaro-piterahana

19/04/2024 10:27 © Moov.Mg

Isan’ireo zavatra mampiasa saina sy mampitaitaina ny bevohoka indrindra ny mieritreritra hoe : anao ahoana ny fiterahana ? Tranga mety miseho ny hoe saro-piterahana ny vehivavy ka tsy maintsy mandalo fandidiana amin’ny ora farany. Misy ary moa ny miafara amin’ny tsy fahazoana ny zaza na ny reny na izy roa mihintsy. Fa inona tokoa ireo antony mety mahasaro-piterahana ?

Ny tsy fisokafan’ny vozon’ny tranon-jaza ara-potoana

Rehefa tonga ny fotoana tokony hivoahan’ny zaza, izany hoe manomboka ny faha 37SA, dia tokony efa miha malefaka sy miomana ny hisokatra ny vozon’ny tranon-jaza (col de l’utérus) hivoahan’ny zaza. Ny fikainkonan’ny tranon-jaza sy ny fanosehan’ny zaza ao an-kibo no mampisokatra tsikelikely ny vozon’ny tranon-jaza. Raha tsy misokatra ara-potoana sy araka ny tokony ho izy ny vozon’ny tranon-jaza dia mahatonga fahasarotam-piterahana. Maro moa ireo antony mety mahatonga izany raha tsy hilaza afa-tsy ny tsy fahampianan’ny « contractions », ny tsy fahatomomban’ny vozon’ny tranon-jaza…

Tery loatra na mitongilana ny « bassin » an’ilay bevohoka

Antony iray mahatonga fahasarotam-piterahana ihany koa ny hoe tery loatra na mitongilana ny « bassin » an’ilay bevohoka. Raha izay tokoa ny zava-misy dia sarotra ny hivoahan’ny zaza. Matetika dia efa eo am-piterahana mihintsy ilay vehivavy vao hita izany fahaterena na fitongilanan’ny « bassin » izany. Mila manatanteraka fandidiana avy hatrany ny mpitsabo hamoahana ny zaza. Izay no isan’ny antony maha zava-dehibe ny miteraka amin’ny hopitaly. Ireto farany no ary fitaovana ahafahana manavotra ny reny sy ny zaza raha misy fahasarotana ny fiterahana. Mety hampitondra taikaitra ny reny na hampidi-doza ny zaza ny fanerena azy hiteraka ara-boajanahary raha efa hita fa tery ny « bassin ».

Misy olana avy amin’ny zaza ao an-kibo

Tsy voatery avy amin’ny bevohoka ihany no mahatonga ny fahasarotam-piterahana fa misy ihany koa avy amin’ilay zaza ao am-bohoka. Anisan’izany ohatra ny zaza mipetraka na manao « position siège ». Izany hoe any ambony ny lohany fa tsy any ambany ka lasa ny vodiny na ny tongony no mivoaka aloha rehefa teraka ka dia sarotra ny hamohana azy. Raha ngeza loatra ihany koa ny zaza, izany hoe mihoatra ny 4kg, dia sarotra ny hafahany mivoaka satria kely ny lalan-jaza hivoahany. Ny zaza misy tsy fahatomombanana hatrany am-bohoka ihany koa dia mety mahatonga fahasarotam-piterahana.

Misy olana avy amin’ny ahitra na avy amin’ny tranon-jaza

Raha niendahaka talohan’ny nivoahan’ny zaza tao am-bohoka ny ahitra dia lasa manakona ny vozon’ny tranon-jaza ka mahatonga fahasarotam-piterahana. Rehefa lasa ambanin’ny zaza kosa ny ahitra dia izay ilay atao hoe miloloa ahitra na « placenta pravia ». Raha izany no mitranga dia atahorana ho vaky ilay ahitra raha miteraka ara-boajanahary. Mety mahasaro-piterahana ihany koa ny olana avy amin’ny tranon-jaza, toy ny « fibromes », « kystes », fahasamponan’ny tranon-jaza…

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo