RADO : Olomangan'ny Haisoratra Malagasy
Tononkalom-panantenana sy hiram-bavaka : izany no tena hahafantarana an'i Rado. Natao ho an'ny sokajin'olona rehetra nefa ny asa sorany fa tsy ho an'ireo olona vontom-pinoana kristiana ihany akory.
Na tanora na efa nahazoazo taona, mahalala an'i RADO na Georges Andriamanantena avokoa raha mbola nandia sekoly. Mbola any amin'ny kilasy faha-7 mantsy, izany hoe hanala CEPE, dia efa tafiditra amin'ny fandaharam-pianarana ny mikasika io mpanoratra io.
Mombamomba an'i Rado
Teraka tao Ambatofotsy tamin'ny 01 oktobra 1923 i Rado, ary nodimandry ny 15 septambra 2008. Mpitandrina ny rainy, Gaston Andriamanantena, ary taranaka mpitolona Menalamba ny reniny, Razafindrafara. Heverina fa noho ny fitaizana azy indrindra no nahatonga azy namorona hiram-bavaka sy tononkalo manandratra avo ny fanantenana sy ny fahafahana. Maro tamin'ireo asa sorany no nohirain'ireo mpanakanto malaza toa an'i Bessa sy Ludger Andrianjaka. Ankoatra ny asa soratra, nankafy mozika sy zava-kanto isan-karazany ny tenany. Nanan-talenta tamin'ny fanaovana sary hosodoko, paikafo sy sary ambony fitaratra moa izy. Noho ny fankafizany ny teny Malagasy, nahay kabary ihany koa i Rado. Mpikambana tao amin'ny FIMPIMA izy fahavelony.
Olona manam-pahaizana tokoa raha i Rado satria nianatra mikasika ny "Sciences Comptables" ny tenany teto Madagasikara, ary nankany am-pita mihitsy, tany amin'ny Université de Strasbourg, nandalina mikasika ny asa fanaovan-gazety. Nanomboka ny taona 1955 ny tenany no nisehatra tamin'ny asa fanaovan-gazety, ka nanorina ny Gazety Hehy. Rehefa nandeha ny fotoana dia nifantoka tamin'ny zava-kanto sy ny Teny malagasy tanteraka ny tenany. Talen'ny Foiben'ny Fanapariahana ny zava-kanto tao amin'ny Ministeran'ny fanolokoloana ny zava-kanto revolisionera izy ny taona 1977 hatramin'ny 1989. Tamin'ny taona 1988 izy no tafiditra mpikamban'ny Akademiam-pirenena Malagasy.
Asa soratra
Ireo mpino protestanta no tena mahalala ny hiram-bavaka noforonin'i Rado, ka anisan'izany ny "N'inon'inona hitranga Jeso" sy ny "Aza avela hahalala".
Nanoratra boky maromaro ihany koa izy : Dinitra (1973), Andro (1977), Zo (1989), Sedra (1993), Ny teny malagasy (1994), Tsy maintsy mipoaka (2002), Voninkazo adaladala (2003). Ny "Fiteny roa" no boky farany navoakany, teo amin'ny faha-82 taonany, tamin'ny taona 2005.
Tsara ny manamarika fa ny boky "Sedra" no tena be mpankafy indrindra. Maromaro ireo tononkalo tsy afaka am-bavan'ny maro, satria toa mifanojo amin'ny sarotra iainan'ny tsirairay amin'ny andavan'andro. Namoy ny zanany mantsy i Rado, ka ireo alahelony sy fanantenany rehetra no naborany tao amin'ilay boky nampitondrainy ny lohateny hoe "Sedra".
Tsy misy, Sedra, 1993
"Na misy aza sedra tsy maintsy sedraiko
Manao hosivoanjo ny fiaina-maliako
Mainka hijoro ny fo sy ny saiko
Tsy maintsy mitohy ny kalom-balihako.
Na inona ronjon’ireo herisetra
Masiaka fifioka manao sesilany
Iaretako ireny satria manam-petra
Fa rivo-mandalo miserana ihany.
Izao no finoako ato anatiko ato
Na mbola mijaly aza aho ka misaona :
Tsy misy ny havandra hijanon-ko vato
Tsy misy ririnina mandavan-taona"
Tsaroako, Dinitra, 1965
Ity tononkalo ity dia nohirain'i Naly Rakotofiringa
"Tsaroako fa manonja
Raha tsy mahita anao
'ty androko misaona …
Ny iray minitra monja
tsy eo anilanao
dia toy ny zato taona
Ny alina ao am-ponja
raha eo akaikinao
manjary lohataona"
Aza avela hahalala, fihirana fanampiny FJKM
"Aza avela hahalala
Aza avela hahalala
Ny antony nanaovanao
Ny hariva mamanala
Na ireo maraina vao
Aza avela hanontany
Ny hafaliana atolotrao
Na ny antony tomany
Efa hitako hatrizao
Aza avelanao hanefy
Ny ampitso ‘zay Anao
Aza avelanao handrefy
‘Zay ho fitantananao
Tsy ho takatry ny saiko
‘Zay rehetra lahatrao
Ny angatahako, ry Raiko!
Aoka aho hatoky Anao"
Sehatra nivelarana
Mora tamin'i Rado ny nampahafantatra ny asa sorany noho ny rahalahiny, Célestin Andriamanantena, izay filohan'ny Union des Poètes et des Ecrivains de Madagascar (UPEM). Nisehatra tamin'ny asa fanaovan-gazety rahateo ny tenany. Niditra fikambanana maromaro ihany koa izy, ka anisan'izany ny fikambanana miaro ny zon'ny mpamorona (OMDA), ny AKFM Fanavaozana, ny fikambanan'ny Mpanoratra Afrikana sy Asiatika ary ny Akademia Malagasy.