The Malagasy Way of Life
Madagasikara
Tout voir
Ambatomilo : un lagon prisé dans un tourisme malgache en croissance
À environ 125 km au nord de Toliara, le lagon d’Ambatomilo se distingue par ses eaux claires, son environnement naturel préservé et un mode de vie traditionnel Vezo.
Kivalo Soa Honko : toeram-pizahantany maharitra, kanto, mampivoatra ny fiainan’ireo mponina
Fizahantany manaja ny tontolo iainana sy mampivoatra ara-toekarena ny mponina eny ifotony. Izay raha fintinina i Kivalo Soa Honko, ao amin’ny Distrikan’i Morondava. Tanànan’ny mpanjono eo amoron-dranomasina, hodidinina honko, izay fonenan’ny hazandrano sy ny vorona isan-karazany i Kivalo, ary izany indrindra no ezahin’ireo mponina kajiana mba ho lovainjafy.
Betania : Tanànan’ny mpanjono ao Morondava, mirakitra tantara maro
Tsy azo ihodivirana, rehefa mitsidika an’i Morondava, ny tanànan’ireo mpanjono ao Betania. Mirakitra tantara mahaliana ity toerana ity, izay tsy lavitra akory, fa mbola ao anatin’ny faritr’i Morondava Renivohitra ihany. Misy mpitaridia, afaka mitondra ireo mpizahatany mitsidika ny tanàna, sy manazava ireo mety mahaliana rehetra ao Betania.
Toliara II - Grotte Sarodrano : Dobo voajanahary anaty lavabato, amoron-dranomasina
Dobo anaty lavabato voajanahary, ifangaroan'ny loharano avy any an-tendrombohitra sy ny ranomasina, mitahiry trondro maroloko hafakely.
Fahasalamana&Sakafo
Tout voirFahalalana Ankapobeny
Tout voir
Ireo fahazarana madinika tsy tandrina nefa manasarotra ny fiainana
Samy manonofy fiainana tsotra kokoa sy mirindra kokoa isika rehetra. Matetika nefa isika dia mamorona fahazarana madinika, mety ataontsika isan’andro, izay manasarotra amin’ny tsy antony ny fianantsika andavanandro. Tsy zavatra na fihetsika lehibe mampiahiahy izy ireo, fa kosa fitambaran’ireo fihetsika kely mandeha ho azy izay lasa manavesatra ny andavanandrom-piainana sy mamizaka tsikelikely. ‘Ndeha ho resahana eto ny mikasik’izany.
Volo salama sy malefaka : tandremo ireo fahazarana manimba azy
Maro amintsika no manana fahazarana mibango volo ilay izy mbola mando avy nosasana iny. Fihetsika mahazatra eritreretina ho tsy misy vokadratsy izy io nefa dia isan’ireo fahazarana manimba ny volo ka mahatonga azy tsy ho « souple » sy mangirana intsony.
Ireo fandrika miafina mampandany vola be loatra rehefa miantsena
Tafiditra anatin’ny fiainana andavanandro ny fiantsenana. Matetika nefa isika mandany vola bebe kokoa noho izay ilaina nefa tsy mahatsapa izany akory. Maro amin’ny fividianana zavatra ataontsika tokoa mantsy no namporisihan’ireo fandrika ara-barotra efa tsara petraka, izay matetika izany mifototra amin’ny « psychologie », ka manimba tsikelikely ny tetibolantsika. Ireto avy àry ny fandrika lehibe tokony ho fantatra mba hisorohana ny fandanim-bola be loatra rehefa miantsena.
Ireo fikarakarana tsotra mahamafy sy mahasalama ny volo
Tsy avy amin’ny fototarazo na « génétique » ihany no mahatonga ny volo ho mafy, mangirana sy salama. Misy ireo fikarakarana ny volo tsara atao amin’ny fiainana andavanandro mba hanatsarana ny fahasalaman’ny volo. Araho ary ny santionany amin’ireo fomba tsotra hikolokoloana ny volo mba hahamafy sy tsy mora tapatapaka azy.
Sexualité & Mariage
Tout voir
Fananahana : ny tsara fantatra mikasika ny « contraception d’urgence »
Moovnaute