The Malagasy Way of Life
Ireo fahadisoana mahazatra amin’ny fampiasana fanafody natoraly
Tafafoha maraina be loatra matetika : inona no mety ho antony ?
Manafina fihetseham-po matetika : inona no mety ho fiantraikany ?
Madagasikara
Tout voir
Toliara II - Grotte Sarodrano : Dobo voajanahary anaty lavabato, amoron-dranomasina
Dobo anaty lavabato voajanahary, ifangaroan'ny loharano avy any an-tendrombohitra sy ny ranomasina, mitahiry trondro maroloko hafakely.
Toliara - RN9 : "Dubaï de Madagascar" Andaboy sy ny Piscine naturelle Mangily
Tsy maintsy mivoaka kely ny renivohitra raha te hisitraka torapasika madio sy tongalafatra. Raha eo Toliara, mandroso mihazo ny RN9, ny any Andaboy sy Mangily no tena manintona ny maro.
Vatobe Ambatomanga : Lasa Harembako-pirenena eto Madagasikara
Voasoratra amin'ny lisitry ny Harembako-pirenena eto Madagasikara ny Vatobe eny Ambatomanga, manomboka androany alakamisy 20 novambra 2025
06 novambra 1995 - 06 novambra 2025 : Feno 30 taona ny nahamay ny Rovan'i Manjakamiadana
Ny takarivan'ny 06 novambra 1995, nirohotra niakatra teny amin'ny "La Haute" ny vahoaka marobe, rehefa nahatazana afo mijoalajoala. Na dia nafotaka aza ny famonoana ny afo, lasa lavenona ny ankabeazan'ireo vako-pirenena nampiavaka an'i Madagasikara.
Fahasalamana&Sakafo
Tout voirFahalalana Ankapobeny
Tout voir
Fitaizana : ireo fahazarana tokony ampianarina ny zaza dieny mbola kely
Ny fahazazana dia fotoana fototra izay manan-danja indrindra amin’ny fananganana ny toetran’ny olona iray. Amin’io vanim-potoana io ny zaza no mora mandray lesona sy fahazarana, satria mbola malefaka ny sainy ary mora voaova. Noho izany, ny fanabeazana ara-pahazarana dieny mbola kely dia manampy betsaka amin’ny fanorenana olon-dehibe mahay miaina, manaja tena sy manaja hafa, ary mandray andraikitra. Ireto àry misy fahazarana lehibe tokony ampianarina ny zaza dieny mbola kely.
Famakiana boky 10 minitra isan’andro : ireo vokatsoa aterak’izany
Efa resahana ombieny ny tombontsoa azo amin’ny famakiana boky. Ankoatra ny fampitomboana ny fahalalana dia mahasoa ny fahasalamana ara-tsaina izany. Fantatrao ve fa ny famakiana boky 10 minitra isan’andro fotsiny dia efa mitondra vokatsoa maro, indrindra ho an’ny atidoha sy ny rarintsaina ? Araho eto ny fanazavana mikasik’izany.
Atodin’ny papelika : vokatsoa sy mety ho vokadratsiny ho an’ny ankizy
Mihamaro ankehitriny ny ray aman-dreny mampiditra ny atodin’ny papelika na « œuf de caille » ao anatin’ny sakafo omena ny ankizy. Na dia kely azy ireny karazana atody ireny dia manankarena otrikaina ilaina amin’ny fitomboana. Fa tena mahasoa tokoa ve izy ireny ho an’ny ankizy ? Mety misy vokadratsiny ve ? Araho eto ny tsara fantatra.
Ireo fahazarana maraina mitondra vokatsoa mandritra ny tontolo andro
Misy fiantraikany amin’ny fahombiazan’ny tontolo andro ny fahazarana maraina na ny « routine matinale ». Misy fahazarana sasany, sady tsotra nefa mahomby, afaka manova ny hery, ny fifantohana sy ny toe-tsaina dieny vao mifoha ary entina miatrika ny tontolo andro. Araho eto ny santionany amin’ireo fahazarana maraina tsara ampiharina.
Sexualité & Mariage
Tout voir
Fahasalamana ara-pananahana : fantaro ny mikasika ny « dyspareunie »
Moovnaute