The Malagasy Way of Life
Ireo fahazarana tsy tandrina mampiakatra ny fandaniana herinaratra
Madagasikara
Tout voir
Krizy : teboka vitsivitsy hamerana ny fiantrakan’izany amin’ny andavanandro
Ny fitokonana dia mety miteraka krizy sosialy sy ekonomika eo amin’ny firenena. Maro arak’izany no mety ho fiantraikan’izany, ka anisan’izany ny fikorontanan’ny tohitohim-pamatsiana samihafa, toy ny famatsiana ara-tsakafo sy ireo entana madinika fampiasa amin’ny andavanandro. Ireto ary misy teboka vitsivitsy hamerana ny fiantraikan’ny krizy eo amin’ny andavanandrom-piainanana.
Antsiranana : « Trois Baies », toerana mahavariana, ranomasina madio sy fasika mamirapiratra
Ranomasina miloko maitso manopy manga (vert turquoise) sy fasika miloko fotsy mangatsakatsaka. Toy izany avokoa no hita vantany vao miditra ireo « Baie » telo mahavariana ao Antsiranana ao. Ao anatin’izany ny « Baie de Sakalava », ny « Baie des Dunes » ary ny « Baie de Pigeon ». Samy manana ny mampiavaka azy kosa anefa izy telo ireo. Toerana telo samy manana ny maha izy azy sy ny misy azy saingy mifandray. Raha jerena amin’ny sary dia toa mifampibaby ireto baie telo ao Antsiranana ireto.
Antsiranana II : Faritra arovana Oronjia, harena voajanahary tsy manam-paharoa eto Madagasikara
Any amin’ny 22 km miala an’i Antsiranana no misy ny Faritra Arovana Oronjia. Ao anatin’ny Distrikan’Antsiranana II. Io toerana io, izay mbola vitsy no mahafantatra azy, dia mitahiry zavaboahary sy kolontsaina tsy fahita firy. Ankehitriny anefa, tandindonin-doza izy noho ny fanimbana ataon’ny olona sy ny fiovan’ny toetr’andro ka mitaky fiaraha-mientana ho amin’ny fiarovana azy.
Nosy Lonjo Antsiranana : Vakoka iraisam-pirenena, vato masina ary manan-tantara
Ao afovoan’ny ranomasina miloko manga madio, mivelatra ao anatin’ny iray amin’ireo helodrano lehibe indrindra ao Antsiranana no mijoro sy miseho ny endriky ny Nosy Lonjo. Tsy vato miseho avy ao anaty ranomasina fotsiny izy io, fa mariky ny maha-izy azy ho an’ny mponina ao Antsiranana, ary ivon’ny hasin’ny kolontsaina sy ny natiora ao avaratr’i Madagasikara.
Fahasalamana&Sakafo
Tout voirFahalalana Ankapobeny
Tout voir
Fitaizana : ireo fahazarana tokony ampianarina ny zaza dieny mbola kely
Ny fahazazana dia fotoana fototra izay manan-danja indrindra amin’ny fananganana ny toetran’ny olona iray. Amin’io vanim-potoana io ny zaza no mora mandray lesona sy fahazarana, satria mbola malefaka ny sainy ary mora voaova. Noho izany, ny fanabeazana ara-pahazarana dieny mbola kely dia manampy betsaka amin’ny fanorenana olon-dehibe mahay miaina, manaja tena sy manaja hafa, ary mandray andraikitra. Ireto àry misy fahazarana lehibe tokony ampianarina ny zaza dieny mbola kely.
Famakiana boky 10 minitra isan’andro : ireo vokatsoa aterak’izany
Efa resahana ombieny ny tombontsoa azo amin’ny famakiana boky. Ankoatra ny fampitomboana ny fahalalana dia mahasoa ny fahasalamana ara-tsaina izany. Fantatrao ve fa ny famakiana boky 10 minitra isan’andro fotsiny dia efa mitondra vokatsoa maro, indrindra ho an’ny atidoha sy ny rarintsaina ? Araho eto ny fanazavana mikasik’izany.
Atodin’ny papelika : vokatsoa sy mety ho vokadratsiny ho an’ny ankizy
Mihamaro ankehitriny ny ray aman-dreny mampiditra ny atodin’ny papelika na « œuf de caille » ao anatin’ny sakafo omena ny ankizy. Na dia kely azy ireny karazana atody ireny dia manankarena otrikaina ilaina amin’ny fitomboana. Fa tena mahasoa tokoa ve izy ireny ho an’ny ankizy ? Mety misy vokadratsiny ve ? Araho eto ny tsara fantatra.
Ireo fahazarana maraina mitondra vokatsoa mandritra ny tontolo andro
Misy fiantraikany amin’ny fahombiazan’ny tontolo andro ny fahazarana maraina na ny « routine matinale ». Misy fahazarana sasany, sady tsotra nefa mahomby, afaka manova ny hery, ny fifantohana sy ny toe-tsaina dieny vao mifoha ary entina miatrika ny tontolo andro. Araho eto ny santionany amin’ireo fahazarana maraina tsara ampiharina.
Moovnaute