• Cours de change
  • 4802.7 AR
  • |
  • $4445.53 AR
Copyright Image : © Expert Reviews
Image
DYI

Fikolokoloana volo : fomba fanamboarana « leave in » vita ao an-trano

30/11/2023 15:34 © Moov.Mg

Fahenontsika matetika amin’ny fikarakarana ny volo ho miolakolana na « curly » ny « leave in ». Efa maro moa ny mivarotra vokatra efa vita sy tonga dia azo ampiasaina. Azo atao ihany koa nefa ny manamboatra izany ho an’ireo maniry ny hampiasa vokatra natoraly 100%. Araho eto ary ny fomba fanaovana « leave in » vita ao an-trano.

Inona moa ny « leave in » ?

Ny « leave in » dia vokatra iray fikolokoloana ny volo izay tsy mila kobanina. Ny fangaro hita ao amin’ny dia manome rano, manome sakafo ary miaro ny volo tsy ho mora maina na ho mora vakivavy. Araka ny voalaza teo ambony dia ampiasaina amin’ny fanaovana volo miolakolana na « curly » izy io. Misy vokatra maro hafa kosa nefa ampiasaina miaraka aminy rehefa hanao izany karazana taovolo izany. Matetika ihany koa dia mampiasa fomba fanolanana ny volo manokana mba hampivoaka tsara ny « curly ». Ny « leave in » no vokatra mahatonga ilay volo mandimandina sy tsy mora rava mandritra ny andro maromaro.

Ireo akora ilaina raha hanamboatra « leave in »

-Rano 10ml ;
-Menaka zava-maniry 1 sotro fihinanana toy ny menaka « jojoba », menaka kinana, menaka zavoka… ;
-« Beurre végétal » 1 sotro fihinanana toy ny « beurre de karité », « beurre de cacao »… ;
-Tantely 1 sotrokely ;
-Ditin’ny vahona 1 sotrokely.

Fomba fikarakarana azy

Atao ao anaty « bol » ireo akora rehetra ary aroharoina mba hifangaro tsara. Afaka atao anaty « mixeur » ihany koa izy rehetra mba tena hifangaro tsara avokoa. Rehefa vita dia afindra ao anaty tavoahangy madio sy mety mihidy tsara. Afaka tehirizina ao anaty vata fampangatsiahana mandritra ny 1 volana.
Afaka ovaina araka ny filan’ny volo ity fomba fanamboarana « leave in » ity. Raha maina be ny karazam-bolo dia ampiana kely ny fatran’ny menaka zavamaniry. Ahena ny fatran’ny menaka zavamaniry raha toa ka manify ny karazam-bolo.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo