• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Wikihow
Image
DYI

Karibonetra : akora manampy amin’ny fanadiovana ny ao an-trano

23/01/2024 09:01 © Moov.Mg

Efa tsy zoviana amin’ny maro intsony ny karibonetra. Maro ireo mampiasa azy io amin’ny fikolokoloana ny hoditra sy ny volo. Anisan’ny azo ampiasaina azy io ihany koa ny fanadiovana ireo fitaovana ao an-trano. Araho eto ary ireo karazana fitaovana azo diovina amin’ny karibonetra.

Mandaitra amin’ny fanadiovana lafaoro ny karibonetra

Anisan’ireo fitaovana ao an-trano sarotra diovina indrindra ny lafaoro indrindra rehefa avy nandrahoina sakafo misimisy menaka. Matetika dia miforitika eny amin’ny varavarana sy ny rindrin’ny lafaoro ny menaka sy ny ranon’ilay sakafo ka lasa miraikitra be eo. Raha tsy afaka mividy ny vokatra manokana fanadiovana lafaoro dia azo atao tsara ny mampiasa karibonetra.
Atao anaty « bol » ny karibonetra 6 sotro fihinanana. Avy eo tapohana rano mafana 2 sotro fihinanana. Aroharoana mba hifangaro tsara sy ahazo paty mitambatra. Avy eo hafanaina kely mandritra ny 5 minitra ny lafaoro avy eo pihina. Fafana amin’ny lamba mando nofihizina tsara ny anatin’ny lafaoro. Ahosotra eo amin’ireo faritra misy loto ilay paty namboarina teo ary avela hilona 2 na 3 ora. Fafana amin’ny « éponge » mando.

Manala ireo bobongolo ao amin’ny trano fandroana

Efitrano mora hiforonan’ny bobongolo ny trano fandroana noho izy mandomando lava. Matetika dia lasa mivaramainty ny manodidina ny « lavabo » ary lasa miova loko ireo « robinets ». Rehefa mandeha ny fotoana dia lasa sarotra diovina tokoa izy ireny nefa dia manimba endriky ny trano tokoa. Manampy betsaka amin’ny fanesorana sy fanadiovana ireny bobongolo ireny ny karibonetra.
Atao anaty « bol » kely ny karibonetra 3 na 4 sotro fihinanana. Alaina ny « éponge » ary lemana rano. Somary fihazina kely dia ajoboka ao anatin’ilay karibonetra. Kosehana amin’iny ireo faritra sy ireo fitaovana ahitana bobongolo ao amin’ny trano fidiovana. Avela hilona kely 5 minitra avy eo kobanina amin’ny rano matimaty.

Manala ny tsentsina amin’ireo fantsona ao an-trano

Toe-javatra mateti-pitranga ao an-trano ny fahatsentsenan’ny fantsona ao an-dakozia na ao amin’ny trano-fidiovana. Efa misy mazava ho azy ireo vokatra efa vonona ampiasaina ahafahana mamaha izany olana izany. Ho an’ireo tsy te na tsy afaka mividy ireny vokatra (produits) ireny dia azo atao tsara ny mampiasa karibonetra.
Araraka eo amin’ny lavaka amin’ny fanasana lovia « évier » ny karibonetra 125 g dia avy eo rarahana vinaigitra fotsy ao amin’izany. Miandry kely 5 minitra dia avy eo rarahana rano mamay ao amin’io lavaka io ihany. Mitovy amin’izay ihany ny atao raha ny fantsona amin’ny « lavabo » ao amin’ny trano fidiovana no tsentsina.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo