• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Marie France
Image
DYI

Fikafika natoraly manampy amin’ny fanesorana ny tasy amin’ny hodi-tava

20/02/2024 17:54 © Moov.Mg

Maro ireo tasy manimba ny endriky ny hodi-tava raha tsy hitanisa afatsy ny panda sy ny tasy navelan’ny mony. Efa misy moa ireo karazana vokatra efa vonona ampiasaina (produits) azo ampiasaina hanalana azy ireny. Ho an’ireo tsy tia mampiasa vokatra misy akora simika dia ireto ary misy fikafika natoraly manampy amin’ny fanesorana ny tasy amin’ny hodi-tava.

Dintin-tsavony Nosy sy tantely ary masonjoany

Fangaro iray manampy betsaka amin’ny fanesorana ny tasy amin’ny hodi-tava ary manadio ny tarehy tantely sy masonjoany ampiarahana amin’ny dintin-tsavony Nosy. Lomana rano ny savony Nosy izay ilaina ary avela ho lasa malemy sy madinty. Rehefa vita izay dia maka io dintin’ny savony Nosy io 2 sotro fihinana ary afangaro amin’ny tantely sy masonjoany efa voakiky samy mitovy fatra aminy. Atao mifangaro tsara ary io no atao sarona (masque) eo amin’ny tarehy madio mandritra ny 30 minitra. Kobanina amin’ny ravim-boafotsy avy nampangotrahina sy efa mangatsiaka. Ampiasaina isaky ny roa andro io sarona io.

« Yaourt » afangaro amin’ny tantely

Fangaro natoraly mampisinda ny tasy ary manazava ny hodi-tava ny « yaourt » ampiarahana amin’ny tantely. Maka « yaourt » roa sotra fihinanana ary afangaro tsara amin’ny tantely roa sotro fihinanana. Ahosotra amin’ny tarehy efa nodiovina tsara mialoha io fangaro io ary avela hilona mandritra ny 30 minitra. Rehefa vita izay dia kobanina tsara amin’ny rano matimaty. Tsara raha « yaourt nature », izany hoe tsy misy siramamy no ampiasaina. Ampiasaina isan’andro mba ahazoana vokatra.

Ireo fitandremana mba hisorohana ny tasy amin’ny hodi-tava

Arak’ilay oha-pitenenana hoe « aleo misoroka toy izay mitsabo » dia tsara hatrany ny miala amin’ireo fahazaran-dratsy tsara mahatonga ny tasy amin’ny hodi-tava. Mba hisorohana ny fipoitran’ny mony, ny panda na ny tai-parasy amin’ny tarehy dia mila :
-Misotro rano tsara isan’andro ;
-Tsy miari-tory ;
-Miaro ny hodita amin’ny hain’andro ;
-Tsy mifoka sigara ;
-Tsy misotro toaka be loatra ;
-Lanjalanjaina ny fihinanana sakafo matsiro sy be menaka ;
-Ahena ny fihinanana siramamy.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo