• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Blog Maison Jardin
Image
DYI

Zezika natoraly sy tsy misy fofona amboarina ao an-trano

10/03/2024 15:45 © Moov.Mg

Maro ireo olona tsy manana tokontany nefa maniry hamboly voninkazo. Azo atao tsara ny mamboly azy ireny ao an-trano. Mba hisorohana ny fofona ratsy avy amin’ny zezika mahazatra dia azo atao ny manamboatra sy mampiasa ity karazana zezika natoraly tsy misy fofona ity.

Ireo zavatra ilaina

-Tain-kafe ;
-Rano avy nampangotrahana legioma ;
-Akoran’atody.

Fomba fanamboarana ny zezika natoraly tsy misy fofona

Potehina anaty « bol » ny akoran’atody. Marihana moa fa ny akoran’atody dia mitahiry kalsioma amin’ny tahany ambony. Efa maro rahateo ireo manafafy azy ireny eny amin’ny voninkazo eny an-jaridaina eny mba hahavanona ireto farany.
Rehefa vita izay dia arotsaka ao ny tain-kafe ary afangaro tsara ireo akora ireo. Ny tain-kafe dia isan’ireo zezika natoraly fampiasa amin’ny fambolena voninkazo sy karazana legioma maro. Isan’ireo akora mandaitra amin’ny fiadiana amin’ireo bibikely manimba ny voly ihany koa izy io.
Afafy amin’ny tany hambolena ny voninkazo na ny legioma ilay akoran’atody sy tain-kafe nafangaro io. Rehefa vita izay dia tondrahana amin’ny rano avy nandrahoina legioma ireo voly. Marihana moa fa ny rano avy nampangotrahana legioma dia mitahiry otrikaina maro mampitombo sy mahavelona tsara ny voly toy ny voninkazo sy ny legioma.
Andramo ary io karazana zezika natoraly tsy misy fofona io fa ho itanao fa ho salama tsara sy ho vanona tsara ny voninkazo na ny legioma ambolenao !

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo