• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Systemed.Fr
Image
DYI

Fomba tsotra fanamboarana lakaoly natoraly ao an-trano

18/03/2024 13:17 © Moov.Mg

Fitaovana iray isan’ny miasa be, na any am-pianarana na ao an-trano ny lakaoly. Ahitana azy ireny amin’ny endrika samihafa ary tonga dia vonona ampiasaina moa eny an-tsena eny. Fantatrao ve fa azo atao tsara ny manamboatra lakaoly ao an-trano ? Ireto manaraka ireto ary ny santionany amin’ny fomba tsotra fanamboarana lakaoly natoraly.

Lakaoly natoraly ho an’ny taratasy manify

Isan’ny lakaoly natoraly mora amboarina ao an-trano ity karazana lakaoly natokana ho an’ny taratasy manify ity. Vitsy ny akora ilaina : lafarina 125g, rano 125 ml ary sira 1 tsongo. Mikasika ny fikarakarana izany : araraka anaty « bol » ny lafarina.
Alefa tsikelikely ao ny rano sady aroharoana moramora mandra-pahazo paty matevina. Arotsaka ny sira ary afangaro tsara. Azo ampiasaina avy hatrany. Azo tehirizina 3 na 4 andro eo ho eo. Tapohana rano kely raha lasa maina loatra.

Lakaoly natoraly mampiraikitra ny hazo

Maro ihany koa ireo fikirakirana ny hazo ilaina ny fampiasana lakaoly. Raha hanamboatra lakaoly mandaitra amin’ny hazo dia mila lafarina 200g, ronono 200g ary vinaigitra fotsy 1 sotrokely. Tsotra ny fomba fikarakarana izany. Afangaro tsara anaty « bol » iray ny lafarina sy ny ronono. Aroharoana tsara sy haingana mba tsy hisy tambaingana hiforona.
Avy eo araraka ao ny vinaigitra fotsy 1 sotrokely ary atao mifangaro tsara ireo akora rehetra. Atao mihosotra tsara ny lakaoly rehefa ampiasa azy. Mila tsindrina mafy ihany koa mba hiraikitra tsara ny hazo. Avela ho maina mandritra ny ora 1 fara fahakeliny vao mandray tsara ilay lakaoly.

Lakaoly natoraly mafy sy mitana tsara

Azo atao ihany koa ny manamboatra lakaoly natoraly mafy sy mitana tsara. Mandaitra amin’ny fampiraiketana karazana zavatra maro moa izy ity, toy ny baoritra, ny hazo, ny ravin-damba, ny taratasy… Ireto avy ny akora ilaina amin’izany : ronono tsy matavy (lait écrémé) 1l, vinaigitra fotsy 2 sotro fihinanana, rano 3 sotrokely, karibonetra 1 sotrokely.
Mikasika ny fikarakarana. Afangaro anaty « saladier transparent » ny ronono sy ny vinaigitra fotsy. Saromana tsara ary avela hitambaingana ilay ronono. Avy tatavanina amin’ny « passoire » sy lamba ity farany mba ahazoana ilay « caillot ». Tsihifina tsara ilay lamba mba hiala ireo ambina ronono ka ilay « caillot » sisa no tavela. Afindra anaty fitoerana hafa ity farany ary tapohana rano 2 sotro fihinanana sy karibonetra 1 sotrokely. Aroharoana tsara ho lasa paty marihitra. Ampiasaina avy hatrany ilay lakoly. Azo tehirizina amin’ny toerana mangatsiaka.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo