Papa Léon XIV : Ray Masina hampiray ny olombelona rehetra, mitovy fijery amin'ny Papa François
Nambaran'ny Papa Léon XIV ampahibemaso ny hanohizany ny fananganana tetezana hampiraisana ny kristiana rehetra manerana izao tontolo izao, fotokevitra nijoroan'ny Papa François. Nisaotra sy nahatsiaro io Papa dimbiasany io ny Papa vaovao nandritra ny lahateniny voalohany, omaly 8 may 2025.
Samy manana ny mampiavaka azy ny Papa Ray Masina tsirairay, na amin'ny fomba fitantanana, na fomba fampitan-kafatra na fanao rehefa misy fitsidihana isan-karazany. Ny azo antoka kosa nefa, maromaro ireo foto-kevitra iraisan'ny Papa Léon XIV sy ny Papa François.
Fisokafana amin'ny fiangonana manerantany
Tahaka ny Papa François, miombon-kevitra amin'ny "Accords de Vatican II" ny Papa Léon XIV. Nasongadiny sahady tamin'ny lahateniny voalohany mantsy fa hanohy ny ezaka amin'ny fampiraisana ny fiangonana manerantany, eny ny olombelona rehetra mihitsy aza, ny tenany. Rehefa nanonona ilay hoe "Fiadanana anie ho aminareo" izy, dia tsy ho an'ny mpino katolika na ny kristiana ihany, fa ho an'ny olombelona rehetra mihitsy.
Midika zava-dehibe ihany koa ny maha-mpikambana azy amin'ny Vondrona Aogostiniana. I Masindahy Augustin mantsy dia rain'ny Fiangonana rehetra, ary anisan'ireo nitondra fivoarana maro tamin'ny fivavahana kristiana. Anisan'ny nampifoha an'i Martin Luther, nipoiran'ny fiangonana protestanta, ny fampianaran'io Eveka io. Teny filamatr'i Mgr Pervost ny hoe “In Illo uno unum” (ao amin'ny ray dia iray isika), araka ny Soritrasa nataon’i Masindahy Augustin, nandritra ny fanamasinana azy ho Eveka, tamin'ny taona 2014.
Raha nisafidy ny anarana hoe "Léon XIV" ny Kardinaly Mgr Prevost, nahaliana azy manokana ny Papa Léon XVIII, nitondra ny Eglizy Katolika ny taona 1 878 hatramin'ny 1 903. Io Papa Ray Masina io no nanoratra ny "Rerum Novarum", tamin'ny 1 891, nirakitra ny foto-kevitra sosialin'ny Eglizy Katolika. Tafiditra tao anatin'izany ny fanomzeana karama ara-dalàna ho an'ireo mpiasa sy ny fanajana ny zon'izy ireo, ary indrindra ny fametrahana ny fahamarinam-pitondrana ara-tsosialy ho an'ny olona rehetra. Nanohitra ny "kapitalisma tafahoatra" io Papa io, na dia tsy nanohana ny sosialisma aza.
Ray Masina manampahaizana amin'ny Lalàna
"Docteur en droit canon" ny Papa Léon XIV. Azo heverina fa hanatsara ireo lamina efa mipetraka izy, sady hanamora ny fampanarahana ireo fitsipika apetraky ny Fiangonana. Nianatra teôlôjia tany amin’ny Catholic Theological Union any Chicago izy, ary nalefa nianatra drot canon tany Roma tao amin’ny Université pontificale Saint-Thomas d'Aquin. Nohamasinina ho pretra tamin’ny 19 jona 1982. Nahazo mari-pahaizana "Licence" izy tamin’ny taona 1984. Ary nandritra ny fanomanana ny Doctorat dia nalefan’ny Fikambanany tany Chulucanas, Piura, Perô (1985–1986). Vita ny Doctorat tamin’ny 1987 ary lasa talen’ny fandraisana mpianatra sy ny misiona tao amin’ny Province Notre Dame du Bon conseil tany Chicago.
Na dia efa fantatra aza fa mitovy fironan-kevitra amin'ny Papa François ny Papa Léon XIV, andrasan'ny maro ny heviny manoloana ireo olam-piainana andavan'andro : fisaraham-panambadiana, fanambadian'ny mitovy fananahana, toeran'ny vehivavy ao am-piangonana, sns.
Ray Masina efa zanak'i Roma
Efa tsy olom-baovao ao Vatican intsony ny Mgr Robert Francis Prevost, lasa Papa Léon XIV. Niasa tany Roma izy rehefa voafidy ho lehiben’ny faritra augustiniana “Notre Dame du Bon Conseil” tamin’ny 1999 izy, ary tamin’ny 2001, lasa prieur général manerantany ho an’ny OSA, izany hoe lehiben’ity fikambanan-drelijiozy ity manerantany. Voafidy tamin’izany andraikitra izany indray izy ny taona 2007 hatramin'ny 2013.
Rehefa tapitra ny fe-potoam-piasany tany Roma dia niverina tany Chicago indray izy ny volana oktobra 2013. Niandraikitra ny fanomanana tao amin’ny couvent Saint-Augustin, mpanolotsaina voalohany sady vice provincial. Notendrena ho Evekan’i Chiclayo ny tenany tamin’ny 2015, ary voafidy ho filoha lefitra faharoa amin’ny Fivondronamben’ny Eveka Peroviana tamin’ny 2018. Niditra anaty rafitra samihafa tao amin’ny Vatikana izy, anisan’izany ny Dicastère ho an’ny Pretra sy Eveka.
Tamin’ny 2023, notendren’i Papa François ho Prefe ao amin’ny Dicastere ho an’ny Eveka, sady lehiben’ny Vaomiera Pontifikaly ho an’i Amerika Latina. Natao kardinaly izy tamin’ny 30 septambra 2023, ka nomena ny fiangonana Santa Monica.
Tamin’ny 6 febroary 2025, nasandratra ho amin’ny laharan’ny Kardinaly Eveka sady nahazo ny anaram-boninahitra amin’ny Eglizy Suburbicarienne d'Albano izy, andro vitsy mialohan'ny nidiran’i Papa François hopitaly. Heverina fa nanana fifandraisana tsara tamin'ny Papa François ny Papa Léon XIV. Raha tsaroantsika, i Mgr Prevost no nitarika ny raozery ho an’ny fahasitranan’i Papa François izay notsaboina tao amin'ny hopitaly Gemelli, tamin’ny 3 martsa, tao amin’ny Kianjan’i Saint-Pierre.