• Cours de change
  • 4715.38 AR
  • |
  • $4421.95 AR
Copyright Image : © The Real Madagascar
Image
Madagasikara

Paska 2023 : ireo toeram-pitsangatsanganana tsy lavitra ny renivohitra

05/04/2023 14:19 © Moov.Mg

Efa manakaiky ny fety ny paska ka sahirana indray isika mitady hoe aiza no handeha hitsangatsangana. Mitady toerana akaiky ve ianao hitondrana ny ankizy haka rivotra ? Ireto manaraka ireto ary misy toerana tsy lavitry ny renivohitra afaka hitsangatsanganan’ny mpianakavy amin’ity paska 2023 ity.

Tsimbazaza, toeram-pitsangatsanganana ho an’ireo te hampifaly ankizy

Anisan’ny toeram-pitsangatsanganana mety amin’ny fianakaviana misy ankizy kely ny valanjavaboahary ao Tsimbazaza. Fitsidihana ireo biby sy zava-maniry moa no mahasarika indrindra eny an-toerana. Na ny ankizy na ny olon-dehibe dia mahazo fahafinaretana amin’ny fijerena ireo biby maro samihafa toy ny lémurs, sokatra, apondra, voay, tanalahy, indri-indri, vorombola, bibilava, fosa… Malalaka tsara ny Parc Botanique et Zoologique Tsimbazaza. Maro ireo toerana afaka hamelarana lamba kely sy hisakafoanana rehefa atoandro. Efa misy ihany koa ireo kilalao isan-karazany natao hampialavoly ny ankizy, toy ny manèges, châteaux gonflables…

Ambatofotsy, maka rivotra sy mialavoly tsy lavitra ny renivohitra

Toerana fitsangatsanganana mafinaritra, milamindamina sy misy rivotra madio ny parc Sisaony, eny Ambatofotsy. Toerana midadasika miravaka ala sapins sy farihy manjopika ny ity farany. Tsy lavitra no misy azy satria vita ao anatin’ny adiny iray mahery kely raha miala an’Antananarivo renivohitra. Ankoatra ny fakana aina ambany ny alokaloky ny hazo, dia azo atao tsara ny manjono. Efa misy mpampanofa fitaovana fanjonoana eny an-toerana. Rehefa andro fety toy ny paska dia ahitana saovaly ary kilalao maro isan-karazany ampifaliana ny ankizy ao anatin’ny parc. Azo atao tsara ny mitondra sakafo sy zava-pisotro eny an-toerana.

Ampefy, toerana mahafinaritra sy tsara lalana

Efa maro ankehitriny ireo fianakaviana sy ireo mpifankatia misafidy ny mandeha mitsangatsangana any Ampefy. Anisan’ny toerana fakana rivotra manodidina an’Antananarivo ity farany noho izy tsy dia lavitra sy tsara lalana. Ampy tsara ny faran’ny herinandro na ny andro fety, toy ny paska, hakana rivotra any Ampefy. Ankoatra ny rivotra madio dia maro zavatra manintona eny an-toerana. Anisan’izany ny fandehanana eny amin’ny Chute de la Lily sy eny amin’ny Geyser. Efa maro ireo trano fandraisam-bahiny ao amin’ny tanàna ary misy amin’ny fahefam-bidy ny rehetra.

Andasibe, fitsangatsanganana manakaiky ny zavaboahary

Toerana fitsangatsanganana iray mahaliana sy mahafinaritra tsy lavitra an’Antananarivo ny tanàn’Andasibe. 159 km miala an’Antananarivo renivohitra no misy azy raha manjohy ny RN2. Ny valanjavaboahary ny Andasibe-Mantadia no mampalaza ny toerana. Ahitana zava-maniry sy biby maro karazana ny toerana, raha tsy hitanisa afa-tsy ny indri-indri. Ireo mpankafy zava-maniry dia ho variana mandinika ireo karazana orchidées misy ao an-toerana. Fotoana iray ahafahana misitaka ny rivotra maloto ao andrenivohitra sy manakaiky ny zavaboahary ny fitsidihana an’Andasibe mandritra ny fety ny paska 2023.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo