Doanin'Andriamisara Miarinarivo - Mahajanga : Manomboka ny fiomanana amin'ny "Fanompoambe"
Nanomboka ny alatsinainy 07 aprily lasa teo ny "Fanompoa Kipa", fanadiovana ny Doany. Tafiditra ao anatin'ny fanomanana ny "Fanompoambe" izany.
Fomba nentim-paharazana mampiavaka ny Sakalavan'i Boina ny "Fanompoambe". Lanonana fanao isan-taona izy io, isaky ny volana Jolay. Ny fampandroana ireo sisan-taolana na ireo ampahany voatahiry tamin'ny vatan'ireo Ampanjaka efa niamboho no tena votoanton'ny lanonana amin'izany. Fanomezan-kasina ireo olobe efa nodimandry izany no atao, arahina fanomezan-tsodrano ireo mpanotrona, indrindra ireo te hangata-pitahiana. Mandritra ny lanonana, maromaro ireo fombafomba tanterahina, toy ny antsa & dihy sakalava sy ny famonoana omby.
Fanompoa Kipa
Isaky ny volana Aprily no fanatanterahana ny "Fanompoa Kipa". Tsy inona izany fa ny fanadiovana ny Doany Miarinarivo, ho fanomanana ny "Fanompoambe" amin'ny volana Jolay ho avy izao. Ny alatsinainy no fanombohana izany fanadiovana izany, ka fitaovana vaovao avokoa no fampiasa. Tamin'ity taona 2025 ity, ny Mpanjakaben'i Boeny Guy Herimisy Dina no nitarika ny Fanompoa Kipa.
Tsara ny manamarika fa ao Tsararano Ambony, Mahajanga, no misy ny Doan'Andriamisara efadahy Miarinarivo. Rehefa hiditra ny "valamena" dia sikina fotsiny no anaovana, ary tsy asiana atin'akanjo mihitsy. Tsy mahazo miditra anatin'ny "zomba" (trano fivavahana) ny vehivavy mitondra vohoka, ny marary, ny boka sy ny boka.
Fanompoa Fandrama
Tsy tapitra amin'ny "Fanompoa Kimpa" akory ny fanomanana ny "Fanompoambe". Amin'ny volana May, hisy ny antsoina hoe "Fanompoa Fandrama". Tsy inona izany fa ny fanambarana ny tantely atao "fanatitra" avy any Ambalakida sy Ambatolampy, toerana samy ao Mahajanga II. Apetraka ao amin'ny ala "masina" ao Ambalamanga (Mahajanga II) io tantely io, ka misy ny "tsimandrimandry" ny sabotsy sy alahady voalohany amin'ny volana may. Entina an-tongotra ao amin'ny Doany Miarinarivo (Mahajanga I) avy eo ny Tantely, toerana fanasinana an'Andriamisara efadahy. Koa satria mifanalavitra ny toerana, maharitra andro maromaro ny dia an-tongotra.
Fanompoa Toamainty
Rehefa tonga ao amin'ny Doany Miarinarivo ny tantely, misy ny fandrahoana azy miaraka amin'ny toaka gasy. Tsy tapahina mihitsy ny afo mandra-pahazo fangaro miloko mainty. Ny "toamainty" izany dia entina ilazana ny toaka mifangaro tantely mivadika mainty. Amin'ny ankapobeny, efa migadona ny volana jona vao tontosa ny "toamainty".
Rehefa tonga ny volana jolay, afangaro amin'ny menaka kinana indray ny toamainty. Avy any amin'ny faritra Atsimo izay misy Sakalava ihany koa io menaka ampiasaina io.
Fanompoambe sa Fitampoha ?
Samy misy Sakalava na any Boeny na any Menabe. Ny "fanompoambe" dia an'ireo Sakalavan'i Boina, izay fanao isan-taona. Ny "Fitampoha" kosa dia an'ireo Sakalavan'i Menabe, fanao isaky ny 5 taona. Mitovy nefa ny votoanton'ny lanonana, dia ny fampandroana ireo sisan-taolana na singa tamin'ny vatana na ireo firavak'ireo Ampanjaka efa nodimandry. Marihana fa ireo olona itoeran'ny fanahin'ireo Ampanjaka (misy tromba) sy/na ireo taranak'ireo Ampanjaka no manatanteraka ireo fombafomba rehetra.
-Toerana misy ireo Sakalavan'i Boina : Mahajanga I # II, Ambatoboeny, Soalala, Mitsinjo, Marovoay, Namakia, Morafenobe
-Toerana misy ireo Sakalavan'i Menabe : Miandrivazo, Morondava, Mahabo