• Cours de change
  • 5043.45 AR
  • |
  • $4474.9 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Madagasikara

Ibity : Toerana avo voaaro ao Vakinankaratra

10/04/2025 05:45 © Moov

Malaza amin'ny fandraisana fifaninanana hazakazaka lavitr'ezaka (Trail) ireny i Ibity. Tendrombohitra lehibe ahitana zava-maitso, biby, rano, vato sarobidy sy harena koltoraly maro io toerana io.

Any Manandona, tanànan'Antsirabe II, no misy ny faritra arovana Ibity. 25 kilometatra miala an'Antsirabe I no misy azy. Koa satria avo dia avo ny toerana (2 254 m), ireo mpizahatany mankafy fanatanjahantena na efa zatra manao "randonnée" no tena mitsidika ny toerana.

Harena voajanahary

Ny fahitana miavaka ny tontolo manodidina (paysage) no tena mahafinaritra rehefa tafakatra an'Ibity. Maitso mavana mantsy izay rehetra jerena, satria na ireo vatobe aza dia toa misy boozaka maitso manarona azy. Na mideza aza ny fiakarana, misy riandrano tena madio sy azo anasana tarehy mitsotsorika avy any ambony. Ny dobo natoraly moa dia azo ilomanosana kely mihitsy. Eo ho eo amin'ny 7 kilometatra ny dian-tongotra atao vao tafakatra eny an-tampon'Ibity, ary tsy maintsy manavatsava tanimbary sy rano mandeha vao tonga eny amin'ny faritra anombohan'ny fiakarana.


Copyright Image : © Moov

Hita eny amin'ny faritr'Ibity ireo zava-maitso sy biby isan-karazany, amin'ny maha-toerana voaaro azy. Maherin'ny 300 ny zava-maniry ao an-toerana, ka ny 236 amin'ireo dia tsy hita afa-tsy eto Madagasikara. Miisa 4 ny karazana vahona hita ao, ka ny 3 amin'ireo dia ahiana ho lany tamingana. Ireo biby kosa dia misy efa 70 mahery, ka ny karazam-borona no betsaka indrindra.
Misy vato sarobidy ("Pierres semi-précieuses") ihany koa eny an-tampon'Ibity, ka anisan'izany ny quartz, béryl sy ny tourmaline. Ahitana vato mamirapiratra toy ny feno vovo-bolamena eny an-toerana. Eny amin'ireo rano mandeha ambanin'ny Tendrombohitra moa dia misy mihitsy ireo mponina manodidina no manivana volamena.


Copyright Image : © Moov

Harena koltoraly

Toerana manan-tantara i Ibity, satria anisan'ireo toerana nahitana Vazimba voalohany tao amin'ny faritra Vakinankaratra. Ara-tantara, nisy Andriana maro sy Vazimba nipetraka tao. Noho izany indrindra, ahitana Rova sy Fasam-bazimba/ fasana Mpanjaka eny an-toerana. Amin'ny ankapobeny nefa, tsy dia misy fadifady firy ambara mialoha ireo mpizahatany. Ireo misafidy hanakaiky ny toerana manankasina ihany, na Rova na Fasam-bazimba, no tokony tsy mihinana na mifady kisoa.
Raha hitsidika an'Ibity, tsara raha fiara avo sy matanjaka no entina. Rehefa tonga eo an-tampon-tananan'Antsirabe dia manohy ny dia, toy ny hoe ho any Ambositra, ka eo amin'ny sampanana mankany manandona no mivily. 13 kilometatra no aleha amin'ny fiara, mandra-pahatonga eny amin'ny Alpha Ciment. Dia an-tongotra hatrany avy eo no atao raha hiakatra ny tendrombohitra.


Copyright Image : © Moov

Tsara ny manamarika fa ny FAPBM no mitantana ny faritra arovana Ibity. Efa maty paika araka izany ny lamina amin'ny fikarakarana ireo biby sy zava-maniry, na dia midadasika aza ny toerana. Misy ihany koa ny fanaraha-maso ny toerana, mba tsy hisy hanimba na handoro ny al



Lire la suite

Articles Similaires