• Cours de change
  • 5043.45 AR
  • |
  • $4474.9 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Madagasikara

Antsirabe, renivohitr'i Madagasikara faharoa

14/04/2025 08:12 © Moov

169 kilometatra miala an'Antananarivo no misy an'Antsirabe, renivohitr'i Vakinankaratra.

Feno sira io tanana io teo aloha, ka izany no nahazoana ny anarana hoe "Antsirabe" tany amin'ny taonjato faha-17 tany ho any.

Nivoatra be ny tanàna rehefa tonga tao ireo Norveziana, tamin'ny taonjato faha-19. Ireo vahiny ireo mantsy no nanangana ny "station thermale" sy ny trano fitsaboana ireo boka. Nanomboka teo, niparitaka manerana an'i Madagasikara ny lazan'Antsirabe ka maro ireo olona te hitsabo tena no mihazo an'io faritra io. Tsara ny manamarika fa mbola misy Sekoly Norveziana ao Antsirabe.

Varavaran'ny faritra Atsimo, tany lemak'i Madagasikara

Ny lalampirenena fahafito (RN7) iny no hizorana raha hihazo an'Antsirabe. Tsy maintsy mandalo ao an-toerana izany raha hianatsimo, any Fianarantsoa na Toliara na Morondava.


Copyright Image : © Moov

Amin'ny mbola maha-renivohitr'i Madagasikara azy nefa, tena mangatsika tokoa ao Antsirabe. Avo ny tanana, 1 500 metatra, saingy faritra volkanika ka tena mahavokatra tokoa. Anisan'ny mpamatsy legioma sy voankazo faritra maro eto Madagasikara i Antsirabe. Mahazo ny anjarany avokoa na ny eto Antananarivo na ny any Atsimo.
Tsy ny vokatry ny tany ihany no mampalaza an'Antsirabe. Marobe ireo mpiompy sy mpanao asa tanana ao an-toerana. Koa satria be mpiompy omby ao an-toerana, tena mpamokatra ronono sy ireo vokatra vita avy amin'izany ny ao Antsirabe. Misy mihitsy aza moa ny orinasa misehatra amin'ny fanodinana ronono ao an-toerana.

Toeram-pizahantany mahaliana

Ny ankabeazan'ireo mpitsidika an'Antsirabe dia mijanona eo amin'ny Gara sy ny manodidina, indrindra raha hamonjy fetin'ny Paska no anton-dia. Tsara nefa ny mampahatsiahy fa maromaro ireo toeram-pizahantany mahafinaritra ao an-toerana.
Hôtely sy fiangonana lehibe
Anisan'ireo fotodrafitr'asa mampiavaka an'Antsirabe ny firafitr'ireo trano fandraisam-bahiny lehibe ao an-toerana, ka anisan'izany ny Hôtel des Thermes. Manintona mpizahatany maro ihany koa ny Katedraly katolika eo afovoan-tanàna.


Copyright Image : © Moov

Ranomafana

Alohan'ny hidirana ny Hôtel des Thermes no misy ny Station Thermale, raha avy ao Avaratsena, izany hoe tena ao afovoan'Antsirabe mihitsy. Misy dobo filomanosana ho an'ny rehetra ao, sady misy toerana manokana ho an'ireo hitsabo tena.

Tritriva

Tantaram-pitiavana malaza no nanamarika ny farihin'i Tritriva, 15 minitra miala ny afovoan-tanàna'Antsirabe. Nisy mpifankatia noraràna hivady, dia Rabeniomby sy Ravolahanta, hono mantsy, niara-namono tena tao amin'io rano io. Fady kisoa sy mpifankatia vao io toerana io, araka ny lovantsofina voarain'ireo mpiandraikitra ao an-toerana.

Andraikiba

Ny fipoahan'ny volkano taloha elabe tany no niforonan'ny farihin'Andraikiba. 7 kilometatra miala ny afovoan'Antsirabe no misy io farihin'Andraikiba io. Azo itsangatsanganana tsara ny toerana, sady tsy misy fadifady rahateo. Misy lakana mandeha motera azo hofaina ao an-toerana, raha te hitsangatsangana ambony rano.

Ibity

Toeram-pizahantany miavaka tokoa i Ibity, ao Manandona, Vakinankaratra. Somary lavitra nefa no misy azy satria 25 kilometatra miala ny renivohitr'Antsirabe. Toerana manan-tantara mbola voaaro tanteraka no hita ao. Mahavariana ny mpizahatany mandalo ao Ibity ny tontolo maitso sy ny riandrano. Misy fasana vazimba sy lapan'ny Mpanjaka ihany koa eny.


Copyright Image : © Moov

Lire la suite

Articles Similaires