Fahasalamana : ‘ndeha ho resahana ny mikasika ny « sciatique »
Ny « sciatique » dia aretina iray vokatry ny « irritation » eo amin’ny « nerf sciatique ». Miseho amin’ny fanaintainana mafy izay miteraka fanelingelenana eo amin’ny andavanandrom-piainana izy io. Araho eto ireo tsara fantatra mikasika ny aretina « sciatique », ny fomba fisorohana sy ny fitsaboana azo atao.
Inona no atao hoe aretina « sciatique » ?
Araka ny voalaza teo ambony dia « irritation » ny « nerf sciatique » ny aretina « sciatique », atao ihany koa hoe « lombosciatique » na koa « névralgie du sciatique ». Ny « nerf sciatique » dia taova manify kely mitana anjara asa roa lehibe eo amin’ny vatana.
Izy io no mitondra ny baiko avy amin’ny atidoha ka ahatonga ny hozatra hiasa sy ny tongotra hietsika. Ny asany faharoa dia ny fitondrana fahatsapana, toy ny hafanana, fanaintainana, fikasohana… avy amin’ny tongotra mankany amin’ny atidoha.
Marihana fa ny « nerf sciatique » no « nerf » lava sy lehibe indrindra ao amin’ny vatana. Avy any amin’ny tongotra hatrany amin’ny fototry ny taolan-damosina, ao ambanin’ny lamosina sy eo amin’ireo « vertèbres lombaires » no misy azy.
Ahoana ny fisehon’ny « sciatique » ?
Amin’ny ankapobeny dia miseho amin’ny fanaintainana amin’ny tongotra ilany ny « sciatique ». Miainga avy eo amin’ny lamosina ambany sy ny valahana io faharariana io ary mamaly hatrany amin’ny ratsan-tongotra. Matetika dia mandalo na hoe tsy maharitra ela io fanaintainana io, nefa kosa miverimberina. Rehefa mikohoka na mikàkà no tsapa manaintaina kokoa izy io ary mihena izany rehefa matory. Mety harary ihany koa rehefa mipetraka. Ankoatra ny fanaintainana dia mety hiseho amin’ny fahatsapana volivoly, na koa fahaverezana fahatsapana eo amin’ny faritra misy ny « nerf sciatique » ny aretina « sciatique ».
Ireo antony mety mahatonga ny « sciatique » ?
Anisan’ireo antony mety mahatonga ny aretina « sciatique » ny :
-« Hernie discale » izay mitarika fihenan’ny elanelana misy eo amin’ny taolan-damosina roa mifanindry ka mahatonga ny « nerf sciatique » ho voatsindry ;
-Fivontosana manindry ny « nerf sciatique » ;
-Otrikaretina sasany mahatonga ny « nerf sciatique » harary ;
-Loza (accident) nampisy fahatapahan’ny taolan-damosina.
Ankoatra ireo antony voalaza ireo dia misy ihany koa ireo anton-javatra mety mampitombo ny « risques » hahavoan’ny « sciatique », toy ny fandrosoan’ny taona, asa ampiasa lamosina mafy, fibatana zavatra mavesatra matetika be, fifohana sigara.
Fisorohana sy fitsaboana azo atao
Azo atao tsara ny mampihena ny « risques » hahavoan’ny aretina « sciatique ». Anisan’ny tokony atao amin’izany ny fananana « posture » mahintsy tsara isan’andro, fanaovana fanazaran-tena manatsara ny « souplesse » ny lamosina sy ny kibo, fanaovana « échauffement » alohan’ny hanao fanatanjahantena, tsy mibata zavatra mavesatra sady miondrika….
Miompana amin’ny fampiarahana amin’ny fitsaboana amin’ny alalan’ny fanafody sy ny fanaovana fanatanjahantena malefaka mba hampitoniana ny fanaintainana ny fitsaboana ny aretina « sciatique ».