Fomba tsotra fanamboarana « crème dessert au chocolat »
Tsindrin-tsakafo na « dessert » isan’ny matsiro sy mora karakaraina ny « crème dessert ». Tsy mila akora be dia be sy lafo vidy ny fanamboarana azy, ary indrindra ihany koa tsy mandany fotoana ela. Misy karazany maro ny tsiro sy hanitra azo hanaovana azy ity ka ny fikarakarana « crème dessert au chocolat » no zaraina eto.
Ireo akora ilaina raha hanao « crème dessert au chocolat »
-Siramamy 100g na latsaka kely araka izay tiana ;
-Chocolat noir 200g ;
-Dibera 50g ;
-Lafarina 40g ;
-Ronono 1l.
Fatra ampy olona 6 moa ity karakaraina eto ity.
Ireo dingana amin’ny fanaovana azy
Halefa anaty vilany eo ambony afo malefaka ny dibera. Tsy endrasana mitsonika dia arotsaka ny lafarina. Aroharoana hifangaro tsara dia alefa ao ny ronono. Aroharoana tsy ankiato.
Rehefa manomboka mihamarihitra dia alefa ao anatin’ny fangaro ny siramamy ary tohizana aroharoana.
Potehana ny chocolat noir. Atsonika kely mandritra ny 5 hatramin’ny 10 minitra avy eo arotsaka ao anatin’ilay fangaro nokarakaraina teo. Aroharohana amin’ny sotrobe hazo mba hifangaro tsara.
Tsinjaraina anaty vera kely ny « crème dessert au chocolat » ary endrasana hangatsiaka. Rehefa mangatsiaka dia apetraka anaty vata fampangatsiahana.
Fanamarihana
Mila atao mangotraka kely ilay fangaro misy ronono vao arotsaka ao ilay chocolat noir natsonika teo. Izany dia mba hahazoana ilay harihatra tadiavina. Izany hoe tsy matsora loatra nefa koa tsy mivaingana.


