• Cours de change
  • 4675.61 AR
  • |
  • $4353.37 AR
Copyright Image : © Astuces De Grand-Mère
Image
Fahasalamana&Sakafo

Zaza mikohaka sy misy rehoka ny tratrany : ireo fanafody natoraly hampitoniana azy

15/03/2023 06:42 © Moov.Mg

Mora andairan’ny kohaka sy sery ny zaza noho ny hery fiarovan’izy ireo mbola tsy matoy. Mampijaly azy ireo tokoa ny kohoka sy ny fisian’ny rehoka ao amin’ny tratrany. Ny mandeha mpitsabo no vahaolana azo antoka indrindra amin’ny fitsaboana izany. Etsy andaniny, afaka atao tsara ireto fanafody natoraly manaraka ireto mba ampitoniana ilay marary.

Tongolo be sy tantely na siramamy : ampitoniana zaza mikohaka sy misy rehoka ny tratrany

Tetehina atao faran’izay manify ny tongolo be voavaofy ary atao anaty kaopy. Rarahana tantely na siramamy mitovitovy fatra aminy ary afangaro tsara. Saromana lovia kely ary avela hilona eo amin’ny adiny roa na telo mba hitsiranoka. Lay ranony iny no atao toy ny sirop ka sotroina iray sotro maraina-atoandro-hariva. Atao mandritra ny 3 hatramin’ny 5 andro. Tsara kokoa raha tongolo be mena sy maina tsara ireny no ampiasaina. Manampy betsaka amin’ny fanasitranana ny zaza mikohoka sy misy rehoka ao amin’ny tratra ity fanafody natoraly ity noho izy mahavita mamony ny viriosy. Tsy mety amin’ny zaza latsaky ny herintaona.

Afanaina amin’ny menaka ny tratra

Mila afanaina amin’ny menaka ny tratran’ny zaza mikohaka sy misy rehoka. Ho mora sitrana kokoa izy rehefa voaharo amin’ny hatsiaka ary mahazo hafanana ny tratra sy ny lamosiny. Ny menaka diloilo, ny menak’omby ary ny menaka vonjy no karazana menaka tsara ampiasaina amin’izany. Asiana ny iray amin’ireo menaka ireo ny felatanana ary atao mifampikosoka ny felatanana roa mba hampafana ilay menaka. Ahosotra eo amin’ny tratra sy ny lamosin’ilay zaza ary somary orina moramora. Mety kokoa raha isaky ny alohan’ny atory no anaovana ity fanorana ity.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo