• Cours de change
  • 5093.82 AR
  • |
  • $4468.74 AR
Copyright Image : © Telma Madagascar.Jpg
Image
Fahasalamana&Sakafo

14 jona : Andro maneran-tany ho an'ny mpanome rà

14/06/2023 09:13 © Moov.Mg

Marihina isaky ny faha 14 jona isan-taona ny andro maneran-tany ho an'ireo mpanome rà. Mbola maro ireo olona tsy mahafantatra ny antony anaovana ny fanomezan-drà sy ireo fepetra takiana ahafahana manao izany. Ndeha ary ho fantarina ireo zava-dehibe mahakasika ny fanomezan-drà.

Inona no ilàna ny fanomezan-drà ?

Mitana anjara lehibe amin’ny fitsinjarana ny « oxygène » manerana ny vatana manontolo ny rà. Manaparitaka ireo singa maro be ilain’ny vatana ihany koa ity farany. Na dia maro aza ireo fivoarana eo amin’ny sehatry ny fahasalamana dia fantatra fa mbola tsy afaka manamboatra rà ny olombelona. Ilaina noho izany ny fanomezan-drà mba entina hamonjena ireo olona mila izany toy ireo :
-trà-doza mafy ka very rà betsaka ;
-vehivavy very rà be loatra teo am-piterahana ;
-tsy ampy rà nohon’ny aretina ;
-atao fandidiana ka mila rà…
Ankehitriny dia tsy maharaka ny rà eny amin’ireo toeram-pitsaboana ka maro ireo manan-kavana marary no mila rà maika. Izany indrindra no anentanana ny rehetra afaka manome rà mba hanao izany ho fanavotana ny ain’ny mpiray tanindrazana.

Iza no afaka manome rà ?

Tsy ny olona rehetra no afaka manome rà. Ireto avy ary ireo fepetra takiana amin’ny fahafana manao fanomezan-drà :
-Olona feno 18 taona hatramin’ny 60 taona ho an’ireo vao sambany hanome rà ary hatramin’ny 65 taona ho an’ireo efa mpanome rà ;
-salama tsara amin’ny andro anomezana rà ;
-nisakafo tsara fa kosa tsy nihinan-javatra be mena na misy alikaola tao anatin’ny adiny telo ;
-milanja 50 kilao farafahakeliny ;
-tsy mandray zava-mahadomelina.
Tsy afaka manome rà ny olona vao avy nitsabo nify, nihinana fanafody, nididy na koa nanao tatouage. Toy izany ihany koa ny vehivavy bevohoka, tera-bao na mampinono.

Manao ahoana ny fatran’ny rà azo omena ?

Kajiana arakaraky ny lanjan’ilay mpanome rà ny fatran’ny rà azo alaina aminy. Tsy tokony hihoatra ny 450 ml nefa izany. Izany hoe latsaky ny ampahafolon’ny rà mikoriana ao amin’ny vatan’ilay mpanome rà ihany no azo omeny. Misolo ho azy izay fatran’ny rà avy nalaina tao amin’ny vatana izay afaka ora vitsy. Marihana fa indray mandeha isaky ny telo volana ihany ny olona iray no afaka manome rà.
Fandavan-tena iray ahafahana manampy ny mpiara-belona ao anaty tsy fahasalamana ny fanomezan-drà. Mihavao ihany koa ny rà ao amin’ny vatana rehefa avy nanome rà ka mahatsara ny fahasalamana. Ireo fitiliana atao alohan’ny fanomezan-drà dia mampahafantatra ny sokajin-drà sy ny toe-pahasalamana.
Ndeha ary isika hiara hientana hanome rà mba hamonjena ireo mpiara-belona sy mpiray tanindrazana mila izany !

Lire la suite

Articles Similaires