• Cours de change
  • 4752.43 AR
  • |
  • $4416.21 AR
Copyright Image : © Distillerie Saint-Hilaire
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ireo vokatsoa azo avy amin’ny Ravintsara

06/03/2024 11:26 © Moov.Mg

Karazan- kazo vokatra maro eto amintsika ary isan’ny mampalaza an’i Madagasikara ny Ravintsara (camphrier de Madagascar). Maro ny fomba azo ampiasana azy raha tsy hitanisa afa-tsy ny fanamboarana « huile essentielle » sy ny fanaovana hevoka ny raviny. Fa inona tokoa moa ny vokatsoa azo avy amin’ny Ravintsara ?

Miaro amin’ny sery sy ny gripa

Zava-maniry manankarena « antioxydant » ny Ravintsara. Io singa io dia miasa betsaka amin’ny fiadiana amin’ny karazana otrik’aretina maro, indrindra ny viriosy mahatonga ny sery sy ny gripa. Ankoatra izay dia mampitombo sy mampatanjaka ny hery fiarovana anatin’ny vatana ny Ravintsara. Azo ampiasaina atao evoka ny ravin’ity zava-maniry na ny « huile essentielle » azo avy aminy mba hisorohana ireo karazana aretina voalaza ireo, indrindra rehefa ririnina.

Manampy ireo diabetika sokajy 2

Manampy betsaka amin’ny fampidinana ny tahan’ny siramamy anaty rà ny fisotroana dite Ravintsara tsy asiana siramamy. Afaka mampiasa izany ireo olona diabetika mba handanjalanjana ny tahan’ny siramamy anaty rà raha sendra mahatsapa fa nihinana sakafo mety nampitombo izany. Marihana fa tsy mahasolo ny fanafody fitsaboana ny diabeta ny Ravintsara fa manampy fotsiny ihany mba hampihenana ny fatran’ny siramamy anatin’ny vatana. Tsy azo sotroina mihoatra ny 3 andro anatin’ny herinandro.

Manampy amin’ny fandevonan-kanina

Mampitony ny karazana fikorontanan’ny taovam-pandevonan-kanina ny Ravintsara. Manampy amin’ny fanalana ny rivotra anatin’ny kibo ny fampiasana ny « baume » vita amin’ity karazana zava-maniry ity. Rehefa ahositra amin’ny kibo sy ny lamosina ny « baume Ravintsara » dia manome hafanana ka manamora ny fivoahan’ny rivotra mahatonga fikorontanan’ny kibo.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo