• Cours de change
  • 4752.43 AR
  • |
  • $4416.21 AR
Copyright Image : © Gâteaux Au Chocolat
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba tsotra fanaovana « muffins » matsiro sy malefaka tsara

06/03/2024 14:56 © Moov.Mg

Karazana « goûter » azo karakaraina tsara ao an-trano ny « muffins ». Efa maro moa ny mpivarotra mofomamy ahitana azy ireny eto amintsika. Atoro eto ny fomba tsotra hanamboarana « muffins » matsiro sady malefaka tsara ny paty.

Ireo akora ilaina raha hanao « muffins »

-Lafarina 4 kaopy ;
-« Levure chimique » 4 sotrokely ;
-Atody 4 ;
-Siramamy 1 kaopy sy fahefany ;
-Ronono 2 kaopy ;
-Menaka 1 kaopy.
-Fomba fikarakarana ny « muffins »

Afanaina amin’ny hafanana 180°C ny lafaoro.

Afangaro anaty « saladier » na « bol » lehibe iray ireo fangaro maina rehetra, izany hoe ny lafarina, ny siramamy ary ny « levure ». Afaka asiana « sucre vanillé » iray « sachet » ihany koa mba hanomezana tsiro azy.
Afangaro anaty « saladier » iray hafa ny fangaro lena rehetra dia ny ronono, ny menaka ary ny atody. Kapohana amin’ny « fouet » mba hifangaro tsara avokoa.
Rehefa vita izay dia arotsaka ao anatin’ireo fangaro maina ireo fangaro faharoa ireo. Kapohana miaraka mba ahazoana paty somary malama sy malefaka. Tsy kapohana ela loatra fa avela hisy ireo mitambaingana kely (grumeaux) hijanona.
Hosorana menaka na dibera tsirairay ireo « moules à muffins ». Araraka ao anatin’ireto farany ny paty. Tsy atao feno be loatra. Rehefa vonona dia atsofoka ao anaty lafaoro efa nafanaina mandritra ny 15 minitra eo ho eo. Somary tsindromina amin’ny lohan’antsy ny « muffins » ka raha tsy misy paty manaraka intsony dia vita izy izay.
Azo asiana fangaro manome tsiro toy ny « raisins secs », potika sôkola na « pépites de chocolat », « fruits confits »… ihany koa anatin’ny paty alohan’ny ampidirana azy anaty lafaoro.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo