• Cours de change
  • 4752.43 AR
  • |
  • $4416.21 AR
Copyright Image : © Blog Santé Bien-Être
Image
Fahasalamana&Sakafo

Diabetika : Ireo sakafo maraina tsara hanina

11/03/2024 11:54 © Moov.Mg

Mila mitandrina hatrany ny sakafo haniny ny olona diabetika. Izany dia mba handanjalanjana ny tahan’ny siramamy anaty rà. Ny sakafo maraina moa no isan’ny sakafo fototra hiatrehana ny tontolo andro. Inona ary ny karazana sakafo maraina tsara hanin’ireo olona misy diabeta ?

Ny maha zava-dehibe ny sakafo maraina raha diabetika

Maro ireo voka-pikarohana manambara fa tsy mandray « insuline » ara-dalàna intsony ny vatan’ny olona misy diabeta rehefa noana. Mifanohitra amin’izay dia voalaza fa manana fahafahana mandritra ny tahan’ny gliosida (siramamy) ao anatin’ny vatana ny fahazarana misakafo maraina.
Ho an’ireo diabetika izany dia ilaina ny mihinana sakafo maraina mitondra ireo otrik’aina manome hery ny vatana. Sakafo voalanjalanja sy amin’ny fatra antonony kosa nefa no hanina. Tandremana ihany koa mba atao amin’ny ora raikitra ny fihinana izany ary tsy tokony ihoatra ny amin’ny 9 ora maraina.

Ireo karazana sakafa idealy ho an’ireo olona misy diabeta

Tsy ny sakafo rehetra no azon’ny olona misy diabeta hanina rehefa maraina. Mila safidiana ireo mitondra otrik’aina nefa kosa tsy mampiakatra ny tahan’ny siramamy anaty rà (glycémie). Anisan’izany ny :

Varim-bazaha (blé) sy voankazo

Maro ireo karazana vokatra azo avy amin’ny varim-bazaha, toy ny mofo, ny « céréales »… Tandremana kosa nefa mba tsy hisy siramamy voavoatra izy ireny. Azo hanin’ny diabetika amin’ny maraina ihany koa ny vary mena ampiarahana amin’ny laoka kely. Tsara raha arahina voankazo mitondra fibra hatrany ny sakafo maraina.

« Flocons d’avoine »

Efa ahitana « flocons d’avoine » avokoa ny ankamaroan’ireo tranombarotra lehibe eto amintsika. Karazana sakafo mitondra fibra sy vitamina maro izy ireny ka azo atao sakafo maraina ho an’ireo olona misy diabeta. Marihana fa ireo otrik’aina anatin’ny « flocons d’avoine » dia mametra ny tahan’ny siramamy anaty rà ho ambany hatrany. Kely ihany koa ny kalôria entiny ka tsy atahorana hampatavy ny fihinanan’ny diabetika azy.

Ronono sy « yaourt »

Araka ny fikarohana maro dia manampy amin’ny fampihenana ny tahan’ny kôlesterôly ao anatin’ny vatana kanefa mampitombo ny tahan’ny kalsiôma ny ronono sy ny « yaourt ». Anisan’ny sakafo maraina idealy tsara hanin’ny olona misy diabeta ihany koa izy ireny. Mazava ho azy fa ireo vokatra tsy misy siramamy ny safidiana.

Dite kanelina

Ho an’ireo diabetika efa zatra misotro dite amin’ny maraina dia manampy betsaka amin’ny fampidinana ny tahan’ny siramamy ao anatin’ny vatana ny dite kanelina. Tsara kokoa raha sotroina mafana sy vao maraina ity karazana dite ity mba hisitrahana izany vokatsoa avy aminy izany. Tsy asiana siramamy rehefa misotro izany.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo