• Cours de change
  • 4752.43 AR
  • |
  • $4416.21 AR
Copyright Image : © Cuisine Actuelle
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fanaovana lasary saosety

12/03/2024 11:18 © Moov.Mg

Vokatra izao ny saosety ary maro amintsika ny mikaroka ny fomba samihafa andrahoana na hikarakarana azy ireny. Maro ny fomba azo hanamboarana lasary saosety ka santionany isan’ny tsotra sy matsiro amin’izany no atoro eto. Ity karazana lasary saosety ity moa ilay fihinantsika matetika amin’ny vary sy laoka. Azo ampiarahana amin’ny maskita sy ny kitonontono isan-karazana ihany koa moa izy ity.

Ireo zavatra ilaina

-Saosety ;
-Tongolo ;
-Menaka ;
-Vinaigitra na voasary makirana ;
-« Curry » ;
-Sira sy dipoavatra.

Ny fomba fikarakarana ny lasary saosety

Sasana tsara ny saosety dia zaraina 2 manaraka ny voany.
Lomana rano mangatsiaka mandritra ny 5 na 10 minitra eo ho eo mba iala ny ditiny.
Voasana ary kikisana amin'ny habeny tiana. Mety foana na atao madinika kely na atao somary vaventy ny fikikisana azy.
Tsy tsihifina fa tonga dia andrahoina kely anaty lapoaly. Tsy mbola asiana n'inon'inona fa aroharoina matetika. Rehefa masamasaka tsy misy rano intsony dia avela hangatsiaka.
Miditra amin’ny fanamboarana ny « sauce vinaigrette ». Tetehina ny tongolo, asiana vinaigitra na voasary makirana, menaka kely, sira sy dipoavatra. Atao mifangaro tsara vao arotsaka anatin’ny saosety efa mangatsiaka tsara. Rarahana « curry » kely amin’ny farany.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo