• Cours de change
  • 4752.43 AR
  • |
  • $4416.21 AR
Copyright Image : © Nageurs.Com
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ireo vokatsoa azo avy amin’ny filomanosana

12/03/2024 10:12 © Moov.Mg

Anisan’ny fanatanjahantena feno sy mahasalama indrindra ny filomanosana noho izy mampihetsika ny ankamaroan’ny hozatra amin’ny vatana. Afaka milomano avokoa ny ankizy sy ny lehibe. Efa maro rahateo ireo dobo filomanosana eto amintsika. Fa inona tokoa ary ireo vokatsoa azo avy amin’ny filomanosana ?

Manatsara ny fiasan’ny fo sy ny taovam-pisefoana

Fanazarantena mandrisika ny « endurance » na ny fiaretana ara-batana ny filomanosana. Izany dia dia mandrisika ny fiasan’ny fo sy ny avokavoka. Rehefa miasa tsara ireto farany dia mihatsara ny fomba fiaina (respiration) ary mihena ireo risika mety ahatonga aretin’ny fo sy ny lalan-drà. Tsara ho an’ireo olona manao sohika (asthme) ihany koa ny filomanosana noho izy ity mantsara ny fiasan’ny avokavoka sy ny fomba fiaina.

Manamafy ny hozatra

Araka ny efa voalaza teo ambony dia mampihetsika ny ankamaroan’ireo hozatra rehetra amin’ny vatana ny filomanosana. Rehefa milomano matetika ny olona iray dia lasa mihamafy sy miaraka mitombo ny hozatra rehetra amin’ny vatana.

Mampihetsika ny vatana tsara nefa tsy mampijaly ny vanintaolana

Maro amin’ireo fanatanjahantena mampihetsika ny vatana sy mandrisika ny « endurance » dia mampijaly ny vanintaolana (articulations). Ireo karazana kotrana voasokajy ho mafy (intenses) dia manome vokatra tsara ho an’ny hozatra, ny fo sy ny avokavoka. Mampiasa mafy ny vanintaolana nefa izy ireny ka mety mahatonga fanaintainana eo amin’ireto farany. Ny filomanosana dia mampihetsika ny vatana iray manontolo nefa tsy mampijaly vanintaolana.

Manampy amin’ny fanenam-batana

Mitaky ezaka sy angovo ny fanoherana ny rano rehefa milomano. Izany fihezahana izany dia mandany kaloria be dia be izay mandoro ny tavy mihoatra eo amin’ny vatana. Anisan’ny fanatanjahantena tsara atao izany ny filomanosana raha maniry hampihena vatana sy hanala ny tavy amin’ny faritry ny kibo.

Mitondra fitoniana ara-tsaina

Ny rano dia manotra ny hozatra ka mampitony ireto farany. Izany dia misy fiantraikany amin’ny fampihenana ny rarintsaina ary mitondra fitoniana ara-tsaina. Ankoatra izay ny filomanosana dia mamokatra « endorphines » izay miasa amin’ny fifehezana ny fahatezerana diso tafahoatra ary mampihena ny risika mahatonga rarintsaina.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo