• Cours de change
  • 4720.51 AR
  • |
  • $4424.05 AR
Copyright Image : © Familiprix
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ireo anton-javatra tsy mampahita tory na maharatsy torimaso

15/03/2024 10:12 © Moov.Mg

Marihana isaky ny 15 martsa ny andro manerantany ho an’ny torimaso. Miompana lehibe amin’ny fampahafantarana ny vokadratsin’ny tsy fahampiana torimaso moa izany andro izany. Efa noresahantsika ombieny teto moa ny mikasika izany. Anio dia ireo anton-javatra tsy mampahita tory na maharatsy torimaso indray ary no ho resahina eto.

Ireo olana ara-tsaina

Araka ny vokam-pikarohana nataon’ireo manam-pahaizana tany ivelany dia voalaza fa ny 50% ny tsy fahitan-tory sy ny fikorontanan’ny torimaso dia avy amin’ny antony ara-tsaina. Santionany amin’ireto farany ny rarintsaina, ny « burn-out », ny fahaketrahana, ny fitaintainana, ny adin-tsaina… Rehefa mivesatra be loatra ao an-tsaina ireo anton-javatra ireo dia manjary lasa manakorontana ny torimaso. Izany hoe, lasa sarotra vao mahita tory na tapa-tory lava hany ka lasa tsy ampy torimaso.

Ny tsy fahafehezana ny fihetseham-po

Mifanakaiky amin’ireo antony ara-tsaina ihany ireo antony ara-pihetseham-po tsy mampahita tory na maharatsy torimaso. Avy amin’ireo tranga isan-karazany miseho eo amin’ny fiainana moa no mahatonga ireo antony ara-pihetseham-po. Mety tsy mampahita tory na maha tapa-tory avokoa na ireo tranga mahafaly na ireo sedra mampalahelo. Mahazana moa dia mandalo ihany ny fikorontanan’ny torimaso vokatry ny fihetseham-po. Isan’ireo mety mahatonga izany ohatra ny alahelo na ny hatezerana vokatry ny fisarahana amin’ny olon-tiana, fahaverezana asa… Etsy andaniny, misy ihany koa ny hafaliana lehibe ateraky ny fahazoana asa vaovao, fanambadiana…

Ireo fahazaran-dratsy eo amin’ny fomba fiainana sy ara-tsakafo

Isan’ireo anton-javatra lehibe tsy mampahita-tory sy maha ratsy torimaso ny fahazaran-dratsy eo amin’ny fomba fiainana sy ara-tsakafo. Raha eo amin’ny fomba fiainana manokana dia maro ireo fahazaran-dratsy mila ialana, toy ny tsy fanaovana fanatanjahantena, ny fijerena « écrans » be loatra rehefa alohan’ny hatory, ny fiaretan-tory matetika loatra… Eo amin’ny lafiny ara-tsakafo kosa dia mila ajanona ny fihinana sakafo mavesatra, matavy ary saro-devonina rehefa hariva. Ny fisotroana toaka be loatra ihany koa dia manakorontana ny torimaso.

Ireo olana ara-batana sy ara-pahasalamana

Mety mahatonga tsy fahitan-tory na maha ratsy torimaso ihany koa ny olana ara-batana sy ny olana ara-pahasalamana. Ny tsy fahitan-tory tokoa mantsy matetika dia tafiditra anatin’ny soritr’aretina mahakasika karazana aretina maro. Anisan’ireo aretina mahatonga izany ohatra ny sohika, ny « hyperthyroïdie », ny aretin’ny aty, ny homamiadana, ny aretina mahavoa ny atidoha… Mazava ho azy fa misy soritr’aretina maro hafa miaraka amin’izany tsy fahitan-tory izany. Ny fizahana ataon’ny mpitsabo irery ihany kosa nefa no afaka manamarina ny aretina mety fonosin’ity farany.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo