• Cours de change
  • 4720.51 AR
  • |
  • $4424.05 AR
Copyright Image : © Cuisine De Chez Nous
Image
Fahasalamana&Sakafo

Voamadilo : ireo vokatsoa entiny ho an’ny vatana sy ny fahasalamana

17/03/2024 18:12 © Moov.Mg

Vokatra be eto amintsika ny voamadilo. Maro moa ny fomba azo hinana azy ireny : atao ranom-boankazo, hanina amin’ny sira, atao « confiture », atao lasary… Fa inona tokoa ny vokatsoa azo avy amin’ny fihinanana voamadilo. ‘Ndeha ho resahana eto ary ny mikasika izany.

Manampy amin’ny fampihenana vatana

Voankazo iray ahitana fibra, proetina, vitamina C ary otrikaina maro hafa ny voamadilo. Kely dia kely ny fatran’ny menaka ao aminy ka mahatonga azy tsy mitahiry kaloria. Anisan’ireo voankazo manampy betsaka amin’ny fampihenana vatana ny voamadilo noho izy ahitana ilay singa atao hoe « hydroxyl acide citrique ». Ity farany moa manakana ny vatana tsy hitahiry menaka sy tavy. Ankoatra izay dia isan’ireny sakafo atao hoe « coupe faim » ireny ny voamadilo. Izany hoe manampy ny vatana hifehy ny fahazotoan-komana na ny fahatsapana hanoanana lava.

Manamora ny fandevonan-kanina

Rehefa mizotra tsara ny fandevonan-kanina dia tsy mitahiry ny sakafo ho lasa tavy ny vatana. Ny fihinana voamadilo dia manamora ny fiasan’ny taovam-pandevonan-kanina. Manetsika ny aty sy ny vavony hiasa tsara ny fisotroana ny « jus » azo avy amin’ny voamadilo. Manampy amin’ny fampitoniana ny vavony manaikitra ihany koa izany. Marihana ihany koa fa manala ny poizina any anaty voa ihany koa ny voamadilo ary voalaza fa afaka mamono ny kankana amin’ny ankizy.

Fomba fihinana azy

Ny fisotroana « jus » voamadilo no fomba mahomby indrindra hisitrahana ireo vokatsoa azo avy amin’ity voakankazo ity. Ampangotrahina mandritra ny 10 minitra amin’ny rano 2 litatra ny nofon’ny voamadilo antsasaky ny fahefany. Avela hangatsiaka ary iny « jus » iny no sotroina tsy asiana siramamy. Afaka mampiasa tantely kely hanamamiana azy raha tena tsy zaka ilay tsirony marikivy iny. Tsy atao maharitra loatra ny fisotroana ny « jus » voamadilo. Herinandro ihany dia miato kely aloha. Sakafo voalanjalanja no hanina mandritra izany fotoana izany.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo