• Cours de change
  • 4720.51 AR
  • |
  • $4424.05 AR
Copyright Image : © Buzzwebzine
Image
Fahasalamana&Sakafo

Kongona am-pandriana : ireo fomba atao hiadiana amin’izy ireny

18/03/2024 10:06 © Moov.Mg

Nirongatra be tato ho ato ireo olona mitaraina ny fisian’ny kongona am-pandriana ao an-tranony. Marina fa tsy mitondra aretina ny kaikitr’izy ireny, nefa kosa mora mirongatra be sy mameno ny trano izy ireo. Ahoana ary ny fomba atao hiadiana amin’ny kongona am-pandriana ?

Inona no atao hoe kongona am-pandriana ?

Bibikely katsentsitra (parasite » iray mivelona amin’ny rà an’olombelona ny kongona am-pandriana na « punaise de lit ». Miendrika boribory lavalava izy ireny ary matetika dia miloko volon-tany na somary mena rehefa voky rà. Mirefy eo ho eo amin’ny 4 hatramin’ny 7 mm ny kongona am-pandriana. Sady tsy mitsambikina moa izy ireny no sady tsy manidina.
Ao amin’ny trano fatoriana amin’ny ankapobeny no fonenan’izy ireo. Mety hitoerany ihany koa ny seza lava sy ny « tapis ». Matetika dia sarotra hita ny « punaises de lit » noho izy ireo mijanona amin’ny toerana maizimaizina sy takotakona toy ny kidoro, hazon’ny fandriana, anaty « placards »…

Ahoana no ahafantarana fa misy kongona am-pandriana ao an-trano ?

Araka ny voalaza teo ambony dia somary sarotra hita ny kongona am-pandriana noho izy ireo miafina ny hazavana. Misy kosa nefa ireo fambara ahafahana mamantatra ny fisiany ao an-trano :
-Fisian’ny dian’ny kaikitry ny kongona am-pandriana eo amin’ny vatana. Matetika izy ireny dia mivangogo 3 na 5 eo amin’ny faritra voakaikitra. Ireo faritra tsy voarakotry ny lamba moa mahazana no kaikerin’izy ireny, toy ny tarehy, ny tanana, ny ranjo…
-Fahitana soritry ny malotony izay miendrika toy ny teboka kely maintimainty eo amin’ny kidoro, ny hazon’ny farafara, ny kihon’ny rindrina…
-Fisian’ny soritra rà lehibe na lavalava eo amin’ny fonom-pandriana. Raha voatsindry ny kongona am-pandriana mandritra ny torimaso dia mety ho potsitra ka izay no mahatonga ireo soritra rà ireo.

Ireo fomba atao hisorohana ny fisian’ny kongona am-pandriana

Maro ireo fitandremana tokony atao mba hisorohana ny fisian’ny kongona am-pandriana ao an-trano. Anisan’izany ny :
-Tsy fitondrana sy ny tsy fampiasana kidoro, farafara na ondana efa niasa izay amidin’olona eny an-dalana eny ;
-Diovina tsara ary amainina amin’ny « brushing » mafana tsara ny fanaka novidiana teny amin’ireny mpivarotra fitaovana efa niasa (brocante) ireny alohan’ny hampidirana azy ao an-trano ;
-Rehefa avy mividy akanjo efa niasa (fripy) dia sasana amin’ny rano mafana ary avela hitapy amin’ny masoandro vao ampirimina anaty fitoerana akanjo ;
-Diovina tsara sy matetika ny trano ary ariana ireo fanaka na fitaovana mameno trano sy tsy ilaina intsony mba ampihenana ny toerana hipetrahan’ny kongona am-pandriana ;
-Jerena tsara ny fitafy rehetra sao misy « punaises de lit » alohan’ny ampirimana azy anaty valizy rehefa avy nipetraka tao amin’ireny trano fandraisam-bahiny ireny.

Ireo torohevitra hamongorana ny kongona am-pandriana

Marihana fa isan’ny bibikely katsentsitra mora mirongatra ny kongona am-pandriana. Noho izany, vao mahatsikaritra ny fisiany ao an-trano dia mitady hevitra avy hatrany hamongorana azy ireo. Anisan’ny fomba mandaitra azo atao ny :

Miomana amin’ny fanadiovana lalina ny efin-trano misy ireo kongona

Tsentsemana avokoa ireo lavaka kely sy faritra misy triatra afaka hitoeran’izy ireo. Ny akanjo rehetra dia fonosina anaty fonosana plastika mihidy tsara. Toy izany ihany koa ireo fitaovana sy fanaka rehetra alohan’ny hamerenana azy anaty ny efitra nisy ireo bibikely.

Miroso amin’ny fanadiovana

Sasana amin’ny rano mafana avokoa ny lamba rehetra mety hitoeran’ireo bibikely : labam-pandriana, lamba firakotra, « rideaux », fonon’ondana… Avy eo atapy amin’ny masoandro. Diovina tsara amin’ny « aspirateur » ny efin-trano mba hanesorana ireo atody sy ireo « punaises de lit » rehetra amin’ny fandriana sy ny fanaka. Diovina tsara amin’ny « aspirateur » ihany koa ny lafiny roa amin’ny kidoro, ny farafara ary ireo kihon-drindrina rehetra. Atao in-droa isan’andro mandritra ny 10 andro izany fanadiovana amin’ny « aspirateur » izany.

Mampiasa ody kongona am-pandriana

Dingana iray lehibe amin’ny famongorana ny kongona am-pandriana ny fanadiovana ny efitra nahitana azy ireo. Tsy ampy hanesorana sy hamonoana azy ireo tanteraka nefa izany. Mila arahina ody bibikely vidiana eny amin’ny mpivarotra manokana izany ny famongorana tanteraka azy ireo. Raha toa ka efa tena nirongatra be eraky ny trano ireo « punaises de lit » ireo dia tsara raha miantso mpamono bibikely matihanina mihintsy hiditra an-tsehatra.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo