• Cours de change
  • 4720.51 AR
  • |
  • $4424.05 AR
Copyright Image : © Saveurs Du Monde
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fanaovana « maki sushi » ao an-trano

18/03/2024 16:20 © Moov.Mg

Malaza eto amintsika efa taona maromaro izay ny « sushi ». Nahandro isan’ny mampalaza ny Japana moa izy io. Marihana fa misy karazany maro ny « sushi » sy ny fikarakarana azy. Ny fanaovana « maki sushi », izay isan’ny be mpankafy indrindra eto amintsika, no atoro eto anio.

Ireo zavatra ilaina raha hanao « maki sushi » sahaza an’olona 4

-Vary « japonais », ilay miraikidraikitra rehefa masaka, 300g ;
-« Feuille d’algue Nori » ;
-« Natte » izay fitaovana ampiasaina rehefa hamono ny « nori » ;
-« Vinaigre de riz » 50 ml na afaka asolo vinaigitra fotsy 35 ml tapohana rano 15 ml ;
-Siramamy 1 sotrokely ;
-Sira 1 sotro fihinanana ;
-Atody 2 ;
-Nofon-trondro « saumon » ;
-« Concombre » 1.

Ny fomba fikarakarana ny « maki sushi »

Andrahoina ny vary.
Atao anaty vilany kely ny vinaigitra sy ny siramamy ary ny sira. Ataingina eo ambony afo malefaka mandrapaha levon’ny sira sy ny siramamy.
Miditra amin’ny fikarakarana ireo akora atao anatin’ny « sushi ». Kapohana ny ataody ary endasina atao somary manify avy eo tetehina lavalava. Voasana ary tetehina lavalava ny « concombre ». Tetehina fisaka ny « saumon ». Afaka ampiasaina manta na somary andrahoina kely.
Rehefa masaka ilay vary dia loharana anaty « saladier » ary avela ho antonony ny hafanany. Avy eo arotsaka ao ny vinaigitra nokarakaraina teo. Aroharoana moramora amin’ny sotro hazo mba hifangaro tsara.
Tetehana hizara roa ny « feuille d’algue Nori » tsirairay izay ho ampiasaina. Velarina eo ambonin’ilay « natte » ny « feuille d’algue Nori » iray. Apetraka mifanesy eo ambonin’izany ny vary, ny nofon-trondro efa nofisahana, ny atody ary ny « concombre ».
Ahorina miditra amin’ny alalan’ilay « natte » ny « nori » mba hifono ao avokoa ireo fangaro rehetra. Hidina tsara ny sisiny mba tsy hisy hivoaka ilay sesika. Afaka somary lemana kely ny tanana hanidiana ilay « nori » mba hiraikitra tsara ity farany. Rehefa vita dia tetehina amin’ny antsy maranitra tsara. Aroso miaraka amin’ny « sauces » izay tiana ny « maki sushi ».

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo