• Cours de change
  • 4720.51 AR
  • |
  • $4424.05 AR
Copyright Image : © Ma Vie En Couleurs
Image
Fahasalamana&Sakafo

Torohevitra hikolokoloana ny nify sy hihy

20/03/2024 13:16 © Moov.Mg

Marihina isaky ny 20 martsa ny andro maneran-tany ho an’ny nify sy ny ati-vava. Manan-danja lehibe eo amin’ny fahasalaman’ny vatana izy ireo noho izy mandray anjara feno amin’ny fandevonan-kanina. Mba hisorohana ny aretin’ny nify sy ny hihy ary dia andeha ho resahana ireo fomba atao hikolokoloana azy ireny isan’andro.

Inona no antony ilaina ny fikarakarana ny nify sy ny hihy ?

Alohan’ny hiresahana ireo fomba atao hikolokoloana ny nify sy ny hihy dia mila fantarina ny maha zava-dehibe ny fikolokoloana azy ireny.
-Rehefa matanjaka sy salama tsara ny nify dia mizotra ara-dalàna ny fitsakoana sy ny fandevonana ny sakafo.
-Raha simba izy ireny dia lasa mandavaka sy manaintaina ary koa mandratra ny hihy. Izany fanaintainana izany dia mahatonga ny sakafo tsy ho voatsako tsara ka lasa miasa be ny vavony amin’ny fandevonana ny sakafo.
-Raha toa ka tsy tsaboina na esorina ny nify simba dia mety ho lo sy hisy nana. Ny nana avy amin’ny nify sy ny hihy marary dia mety hitarika otrikaretina any amin’ny faritra hafa amin’ny vatana, toy ny tenda, ny vavony, ny fo…

Ireo fikarakarana hitandroana ny fahasalaman’ny nify sy ny hihy

Azo atao tsara ny misoroka ny aretin’ny nify sy ny hihy amin’ny alalan’ny fikarakarana sy ny fikolokoloana azy ireo isan’andro.

Ferana ny fihinanana zavatra mamy

Maro ny vokadratsy azo avy amin’ny fihinanana zavatra mamy matetika, anisan’izany ny fahasimban’ny nify. Ireo izay sakafo na zava-pisotro mitahiry siramamy voahodina toy ny vatomamy, mofomamy, zava-pisotro misy entona toy ny Coca… moa no tena mila ferana.

Borosiana tsara isan’andro ny nify

Ny fiborosiana nify no isan’ireo fikolokoloana ny nify tsy azo adinoina isan’andro. Izany dia mba ahafahana manala ireo poti-kanina rehetra tavela eny anelakelaky ny nify eny ka mety handoaka izany. Mila borosiana avy any ambony mankany ambany ny nify. Tsy adino ny miborosy ny ao ambadika sy ny tampon’ireo fara-vazana. Mila atao isaky ny avy misakafo maraina, atoandro sy hariva ny fiborosiana ny nify.

Diovina ny faritra eo amin’ny fihaonan’ny nify sy ny hihy

Mba hiarovana ny hihy amin’ireo otrikaretina mety mahazo azy dia ilaina ny fanadiovana ny faritra eo amin’ny fihaonany amin’ny nify. Izany hoe ilay tainify mavo be miraikatra eo aminy iny, Mba hanadiovana izany dia andefasana kofehy manify na kofehy manokana fanadiovana nify (fil dentaire) eo anelanelan’ny nify. Amin’ny voalohany mety handeha rà ilay hihy fa avy eo dia mihena izany ary ho salama tsara ny nify sy ny hihy.

Mihinana sakafo ara-pahasalamana

Toy ireo singa rehetra mandrafitra ny vatana dia mila otrik’aina ihany koa ny nify sy ny hihy. Ireo vitamina, kalsioma, potasioma… entin’ny sakafo no ilaina indrindra. Anisan’ireo tsara hanina matetika ny atody, ronono, tsaramaso, legioma maitso, voasary, voatabia… Ferana tanteraka ny fihinana sakafo mamy ary fadiana ny mihinana zavatra mafy mety manimba ny nify toy ireo hena be hozatra, ny taolana, ireo tsakitsaky mafy tsakoana… Fadiana ihany koa ireo zavatra mety mampalemy sy manimba ny nify toy ny sigara, ny kafe, ny paraky sy ny toaka.

Fizahana ny nify indroa isan-taona any amin’ny mpitsabo nify

Marina fa azo amboarina na esorina ny nify rehefa simba sy marary. Tsara lavitra nefa ny manana nify salama sy tsy banga. Isan’ireo fikolokoloana ny nify mila atao ny fandehanana mizaha ny nify eny amin’ny mpitsabo nify indroa isan-taona. Izany dia mba ahafahana mahita raha sendra misy mitady ho laoka ny nify sy mba hitsaboana izany avy hatrany alohan’ny fahasimbany.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo