• Cours de change
  • 4720.51 AR
  • |
  • $4424.05 AR
Copyright Image : © Lidl Recettes
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fanaovana « poulet rôti » andrahoina amin’ny lafaoro

20/03/2024 16:29 © Moov.Mg

Nahandro iray izay tsy zoviana amin’ny besinimaro intsony angamba ny « poulet rôti ». Samy mankafy azy io avokoa na ny kely na ny lehibe. Ho an’ireo mitady sakafo matsiro atao rehefa fety na faran’ny herinandro iny ary dia araho ny fomba fanaovana « poulet rôti » andrahoina amin’ny lafaoro.

Ireo zavatra ilaina raha anao « poulet rôti »

-Akoho 1 ;
-« Thym » fehezany 1 ;
-Tongolo gasy ;
-Voasary makirana 1 ;
-Dipoavatra ;
-Menaka oliva ;
-Sira

Ny dingana amin’ny fikarakarana ny nahandro

Afanaina amin’ny hafanana 220°C ny lafaoro.
Afangaro anaty « bol » kely iray ny menaka oliva 2 sotrokely, ny « thym » ary ny tongolo gasy voakiky amin’ny fatra itiavana azy.
Sasana tsara ny akoho ary avela hitsiaka amin’ny « passoire ». Tsara kokoa raha ireny akoho fakana nofony ireny no safidiana noho izy mora malemy.
Aforitra ambanin’ny vatany ny elatr’ilay akoho ary esorina moramora ny hoditra eo amin’ny tratrany. Ahositra eo amin’ny vatan’ny akoho, ivelany sy anatiny, ilay fangaro nokarakaraina teo ambony. Somary kosehina kely mba hiditra tsara anaty nofony izany.
Rehefa vita izay dia sesefana tongolo gasy hasiny maromaro sy voasary makirana notetehana ao anatin’ny akoho. Fatorana hitambatra ny tongotr’ilay akoho. Rarahana sira sy dipoavatra ny ivelany sy ny anatiny.
Atsofoka anaty lafaoro amin’izay ny akoho. Ilay fitoerana feno iny (plateau) no ampiasaina. Avela ho masaka ao mandritra ny ora 1. Avoaka ny lafaoro ilay akoho aorian’izay ora 1 izay. Somary atao mitongilana kely mba hivoaka ilay ranony avy ao anaty vatany.
Tondratondrahana amin’ilay ranony iny ny vatan’ilay akoho. Atao mahazo tsara daholo ny faritra rehetra alohan’ny hamerenana azy anaty lafaoro. Avela hipetraka kely 15 minitra rehefa avy avoaka anaty lafaoro alohan’ny hitondrana azy ambony latabatra sy hinanana azy.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo