• Cours de change
  • 4720.51 AR
  • |
  • $4424.05 AR
Copyright Image : © Menard.Fr
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fikolokoloana ny vatana : ireo sakafo manemotra ny fahanterana

25/03/2024 10:25 © Moov.Mg

Hita taratra eo amin’ny endrika, indrindra eo amin’ny toetry ny hodi-tavan’ny olona iray ny fahanterany. Tsikaritra nefa fa maro ireo mbola tsy nahazo taona be loatra nefa efa feno kentrona tarehiny. Mba hiadiana amin’izany ary dia atoro eto ireo karazana sakafo manampy amin’ny fikolokoloana ny fahatanoran’ny vatana sy ny hodi-tava.

Ny voasary

Manampy betsaka amin’ny fiadiana amin’ny kentrona amin’ny tarehy vokatry ny fahanterana ny fisotroana ranona voasary isa-maraina. Ny vitamina C hita ao amin’ny dia mandrisika ny fiasan’ny « collagène ». Ity farany dia singa iray ao anatin’ny hoditra izay manome « élasticité » sy « souplesse » azy. Ankoatra izay dia manarina ny vokadratsin’ny taratry ny masoandro eo amin’ny hoditra ihany koa ny voasary. Isan’ireo anton-javatra mahantonga ny fahanteran’ny hoditra aloha loatra tokoa mantsy ny taratry ny masoandro.

Ny laisoa, « brocoli », soflera

Karazana sakafo mitondra vokatsoa maro ho an’ny vatana sy ny fahasalamana ny laisoa, ny « brocoli » sy ny soflera. Mitahiry « antioxydants » amin’ny tahany ambony izy ireo. Ilaina indrindra izany « antioxydants » izany ho fisorohana ny fiforonan’ny kentrona aloha loatra amin’ny hodi-tava. mba hitahirizana ireo otrik’aina hita anatin’ireo sakafo ireo kosa nefa dia tsy azo atao masaka be izy ireny rehefa andrahoina.

Ny zavoka

Voankazo iray manankarena vitamine B, C sy E ny zavoka. Ireo vitamina ireo dia mandrisika ny fiasan’ny « collagène » ao amin’ny hoditra. Rehefa mahavatra mihinana zavoka matetika dia lasa malefa, « élastique » ary malandilandina ny hodi-tava. Azo ahosotra amin’ny hodi-tava atao « masque » ihany koa izy io mba hanomezana sakafo ny hoditra ary indrindra hampalandina ireo faritra makiana. Izany no atao mba tsy hampisy kentrona aloha loatra ny hodi-tava.

Ny trondro matavy

Ny trondro matavy, toy ny « saumon », « sardine » sy ny « truite » dia isan’ireo trondro sokajiana hoe matavy. Izy ireo dia manankarena « oméga 3 », vitamina A, « cuivre » ary « sélénium ». Ankoatra izay dia ahitana « antioxydants » ihany koa ireo karazana trondro ireo. Ny fitambaran’ireo singa mandrafitra ireto farany dia miaro ny hodi-tava sy ny vatana mba tsy ho antitra aloha loatra. Mba hisitrahana tanteraka ireo vokatsoa entin’izy ireo dia tsara raha ampiarahana amin’ny sakafo be vitamina C izy ireo rehefa mihinana azy.

Ny dite (thé)

Ny fisotroana dite isan’andro dia manampy amin’ny fikolokoloana ny hodi-tava sy amin’ny fanemorana ny fahanteran’ny vatana. Ny dite tokoa mantsy dia mitazona ny fatran’ny rano ilain’ny hoditra ary miady amin’ireo « toxines » izay poizina mahatonga ny kentrona aloha loatra amin’ny hodi-tava. Azo ampiasaina avokoa ny karazana dite rehetra fa tsara kosa nefa raha tsy tenehana ela loatra izy ireny rehefa mikarakara azy.



Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo