• Cours de change
  • 4720.51 AR
  • |
  • $4424.05 AR
Copyright Image : © Cooking With Dog
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ny fomba fanamboarana « steak » malemy tsara

25/03/2024 16:08 © Moov.Mg

Nahandro iray isan’ny matsiro tokoa ny « steak ». Azo atao laoka na atao tsakitsaky ihany koa izy ireny. Mila fahaizana nefa ny mikarakara azy ireny satria amin’ny maha hen’omby azy dia mety ho mafy na sarotra malemy tokoa izy io. Atoro eto ary ny fomba fanaovana « steak » malemy tsara.

Ireo zavatra ilaina raha hanao « steak » malemy

-Nofon-ken’omby 250g ;
-Sakamalaho ;
-Tongolo gasy ;
-Dipoavatra ;
-Sira ;
-« Fécule de manioc » ;

« Sauce soja » 1 sotro fihinanana ;

-Rano 3 sotro fihinanana.

Fomba fikarakarana azy

Fisahana tsara ny nofon-ken’omby. Tsara kokoa raha « tranche fine » na « filet » no vidiana. Kapokapohana amin’ny « marteau » natokana ho an’ny hena, na amin’ny vodi-antsy na amin’ny « rouleau pâtissier » mba hivoraka sy halemy.
Atao anaty « saladier » ny hena ary alefa ao ny sakamalaho sy tongolo gasy voakiky, ny « fécule de manioc », ny sira, ny dipoavatra, ny « sauce soja » ary ny rano. Atao mifangaro tsara daholo izy rehetra ary avela hilona mandritra ny ora 2 faharafahakeliny. Raha azo atao dia avela milona anaty vata fampangatsiahana mandritra ny alina tontolo.
Mikasika ny fandrahoana azy. Ataingina ambony afo ny lapoaly nasiana menaka. Tsy atao be menaka be. Vao manomboka mafana ny menaka dia arotsaka ny « steak ». Tsy endrasana mamay be vao arotsaka. Atao tsikelikely ihany koa fa tsy atao be am-patana be. Avadika amin’ny lafiny ilany rehefa manomboka miova loko. Tandremana tsy hendasina ela loatra manjary lasa mafy.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo