• Cours de change
  • 4733.39 AR
  • |
  • $4423.3 AR
Copyright Image : © Medicalib
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fampahafantarana mikasika ny aretina sohika na « asthme »

09/04/2024 15:23 © Moov.Mg

Aretina iray isan’ny fahita matetika eny amin’ny fiarahamonina eny ny sohika na « asthme ». Mbola maro amintsika nefa no tsy mahafantatra mazava ny mikasika azy io. Ampahafantarina eto ary ny atao hoe aretina sohika, ny mahatonga azy, ny fisehony sy ny fitsaboana azy.

Inona no atao hoe aretina sohika na « asthme » ?

Ny sohika na « asthme » dia aretina mitaiza ny avokavoka izay mikasika manokana ireo lalan-drivotra mivatsy ny « oxygène » ao amin’ny vatana. Rehefa mihatery ireo lalandrivotra ireo dia lasa tsy mahazo « oxygène » tsara intsony ny vatana ka eo no miseho ny sohika.
Samy mety ho voan’ity aretina ity avokoa na ny zaza na ny ankizy na ny lehibe. Izany hoe mety miseho mandritra ny fahazazana izy io ka ny zazalahy kely no tena voa. Misy ihany koa ireo anaty fahatanorana vao tratra ka ny tovovavy no matetika hisehoany.

Inona no antony mety mahatonga ny aretina sohika ?

Maro ireo antony mety mahatonga ny olona iray ho voan’ny aretina sohika na atao hoe « asthmatique ». Anisan’izany antony lehibe mahatonga izany ny hoe :
-Manaranaka ny sohika. Izany hoe raha toa ka misy voa ny raiamandreny niteraka dia mety ho voa ihany koa ny zanaka. Tsy voatery ho voa moa ireto farany fa ambony kokoa ny risika ahazoany izany ;
-Taizan’ny « allergies » toy ny « eczéma » sy ny « rhinite » ilay olona ;
-Nanana olana amin’ny avokavoka tamin’ny mbola vao amam-bolana vokatry ny fahaterahana tsy tonga volana, setro-tsigara, rivotra maloto, aretin’ny taovam-pisefoana vokatry ny viriosy ;
-Ny fitoerana amin’ny trano mando lava, misy bobongolo, akaiky toerana mikirakira vokatra simika mandoto ny rivotra iainana…

Ireo fomba fisehon’ny sohika rehefa manao krizy

Maro ny fomba ahafantarana hoe mihetsika ny aretina sohika eo amin’ny olona iray. Ny fahasemporana no tena mibahana amin’izany. Mahatsapa fa tery ny tratra, sahirana miaina ka tsy mahavita misintona sy mamoaka rivotra tahaka ny mahazatra.
Ankoatra izay dia mety mikohamaina tsy mijanona nefa tsy mahazo rehoka matetika, maneno ny tratra isaky ny mamoaka rivotra, tsembon-dratsy… Mety tsy mahavita miresaka mazava ihany koa fa mitsitapatapaka elanelanina sefosefo.

Ireo trangan-javatra mety mampihetsika ny sohika

Maro ireo trangan-javatra mety hampihetsika ny aretina sohika. Anisan’izany ny :
-fiovan’ny toetrandro ;
-ny fofon-tany rehefa avy ny orana ;
-ny andro sy ny rivotra mangatsiaka ;
-ny vovoka ;
-ny gripa ;
-ny fofona mahery isan-karazany ;
-ny toerana mihiboka sy mandomando ;
-ny volombiby (saka, alika...) ;
-ny fofon-tsigara.
Marihana fa tsy voatery mitovy ireo anton-javatra mampihetsika ny sohika eo amin’ny olona « asthmatiques » tsirairay. Samihafa ihany koa ny fahasarotan’ny aretina ka mety tsy mitovy ny fisehon’ny krizy amin’ireo marary.

Ahoana ny fomba fitsaboana ny aretina sohika ?

Marihana fa azo tsaboina sy alamina tsara ny aretina sohika. Ny « pneumologue » no mpitsabo manokana mandray an-tanana ny fitsaboana izany. Mila manantona azy ireny izany raha toa ka misy iray na maromaro amin’ireo soritr’aretina miseho.
Tsy voatery mitovy avokoa ireo fanafody hitsaboana ny « asthme ». Miankina amin’ny karazana sohika sy ny fahasarotan’izany no hitsaboana azy. Arak’izany, tsy azo atao ny manao dokotera tena. Raha nisy fitsaboana na fanafody nandaitra tamin’ny olona iray dia tsy voatery handaitra amin’ny olona hafa. Rehefa manaraka fitsaboana sohika dia mila manao fanaraha-maso (contrôle) any amin’ny mpitsabo, eny na mahatsiaro tena fa efa salama aza.
Rehefa tonga amin’ny faratampony ny « crise d’Asthme » na ilay antsoina hoe « Asthme Aigu Grave) dia tsy mandaitra intsony ireo fanafody fampiasa andavanandro. Efa sempotra be tokoa mantsy ilay marary ka lasa reraka ny avokavoka miady amin’ilay fahasemporana ary mety hahafaty raha tsy mahazo « oxygène » haingana ny vatany. Mila manantona toeram-pitsaboana avy hatrany noho izany raha hita fa sahirana be miaina ny olona « asthmatique ».

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo