Voan’ny sery : ireo torohevitra mampisinda ny orona jenjina
Isan’ireo soritr’aretina matetika mitranga sy tena manorisory tokoa rehefa voan’ny sery ny orona jenjina. Tsy mampahazo aina ary tena tsy mampahita tory izy io rehefa amin’ny alina. Ahoana ary ny fomba natoraly azo atao mba hampisinga haingana ny orona jenjina rehefa voan’ny sery ?
Diovina tsara sy matetika ny orona
Mba hampisinda ny orona jenjina sy hahasitrana haingana ny sery dia mila diovina tsara sy matetika ny orona. Ny fampiasana « seringue » tsy misy fanjaitra no mandaitra indrindra hanalana ireo lelo anatin’ny orona sy ny fahatsentsenana aterak’izany. Tsotra ny fomba atao. Afangaro ny rano avy nampangotrahana 1 kaopy sy sira 1 sotrokely. Rehefa mangatsiaka dia trohana anaty « seringue ». Io rano masira io no atsifitra anatin’ny lavak’orona iray hanadiovana ny orona ilany. Avy eo atsifitra anaty lavak’orona ilany indray. Atao intelo isan’andro mandrapaha sitran’ny sery.
Mievoka kininim-potsy
Fomba iray mandaitra vetivety hampisindana ny orona jenjina rehefa voan’ny sery ny fihevohana kininim-potsy. Tsy atahorana hisy fiantraikany ratsy izy io ka afaka manao izany ihany koa ny ankizy. Ny enton’ny kininim-potsy dia mampitsonika ny lelo miandrona anatin’ny orona izay manentsina azy. Mora atao moa ity hevoka ity. Ampangotrahana ny rano 3 litatra ary arotsaka ao ny ravina kininim-potsy iray fehezana. Avela hivadibadika 3 minitra dia io no hevohana. Tandremana kosa nefa rehefa mampanao hevoka ny ankizy tsy atao akaiky loatra ny tarehy sao main’ny entona. Raha tsy misy kininim-potsy dia azo atao ihany koa ny mievoka rano mangotraka, indrindra rehefa alohan’ny hatory.
Atao avo tsara ny ondana rehefa matory
Manampy betsaka hampitoniana ny orona jenjina rehefa matory amin’ny alina ny fampiasana ondana avo tsara. Rehefa mitsilany tokoa mantsy ny loha dia miakatra mankany amin’ny orona ny tosiky ny rà. Izany dia manasarotra ny fivoahan’ireo lelo sy rehoka avy ao amin’ny orona hankany amin’ny tenda ka mahatonga ny orona ho jenjina. Noho izany, rehefa voan’ny sery dia atao avo tsara ny ondana alohan’ny hatoriana. Azo atao ihany koa ny mampiakatra ny loham-pandriana amin’ny fanitrihana zavatra ambanin’ny kidoro raha tsy tiana atao avo ny ondana.
Misotro rano tsara mandritra ny tontolo andro
Manampy betsaka amin’ny fampitsoniana ny lelo sy ny rehoka ary manamora ny famohana izany ny fisotroana rano tsara rehefa voan’ny sery. Arak’izany dia mila misotro rano 2 litatra isan’andro fara fahakeliny. Azo atao ihany koa ny misotro dite manampy amin’ny fampisindana ny sery, toy ny dite solila na ny dite tantely sy voasary makirana. Tsy adinoina ny mihinana sakafo manankarena vitamina C mba hampitomboana ny hery fiarovana hiadiana amin’ny sery.