• Cours de change
  • 4630.16 AR
  • |
  • $4398.56 AR
Copyright Image : © King Arthur Baking
Image
Nahandro Gasy

Pizza : Fomba tsotra sy tsy mandany vola ikarakarana azy

11/02/2023 07:20 © Moov.Mg

Anisan’ny sakafo tsy zoviana amintsika intsony ny « pizza ». Mafilotra izy ireny fa dia tena lafo vidy ihany koa rehefa jifaina eny amin’ireny « pizzeria » ireny. Tsy te handany vola be intsony ianao rehefa te hinana pizza ? Ity misy fomba fikarakarana pizza tena mafilotra nefa sady tsotra no tsy mandany vola.

Ireo zavatra ilaina

Ny akora ilaina amin’ny fikarakarana ny « pâte à pizza »

Lafarinina 500 g
Sira iray tsongo
Menaka oliva 1 sotro fihinanana
Rano matimaty 250 ml
Atody 1
Levure boulanger 10 g

Ny akora ilaina amin’ny « garnitures »

Malalaka be ny fomba fikarakarana ny garnitures ary afaka atao araka izay itiavana azy. Amin’ny ankapobeny dia ireto avy ny akora ampiasaina amin’izany :
Fromage voakiky
Voatabia anaty boaty
Tongolobe
Totokena na nofon’akoho na nofon-trondro na nofona hazan-dranomasina
Menaka kely anendasana
Sira

Ny fikarakarana ny pâte à pizza

Maka saladier ary alefa ao ny rano matimaty, ny menaka oliva, ny atody ar ny sira. Aroana tsara izy rehetra mba hitambatra. Manarak’izay dia arotsaka ny antsasak’ilay lafarinina ary arohina. Rehefa mifangaro tsara dia arotsaka ny ambin’ilay lafarinina ary afangaro amin’ny tanana roa. Tsy hajanona ny fanangaroana azy raha tsy mahazo pâte malefaka, tsy miraikitra ary malama tsara. Volaina miendrika boribory ny pâte ary avela hilona 15 minitra vao ampiasaina.

Ny fikarakarana ny pizza miaraka ny garnitures

Zaraina telo ilay pâte à pizza ary fisahina amin’ny rouleau à pâtisserie tsirairay avy. Hosorana menaka ny moule ary apetraka eo ilay pâte. Endasina ny totokena na nofon’akoho sy ny tongolobe voatetika madinika. Asiana sira ary ampiana saosy voatabia kely hahazo loko. Rehefa vita dia ahosotra eo ambonin’ilay pâte à pizza. Rarahana eo ambony ny fromage voakiky ary hatsofoka ao anaty lafaoro. Masahina amin’ny hafanana 220°C mandritry ny 20 minitra eo ho eo. Vita ny pizza.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo