• Cours de change
  • 4759.39 AR
  • |
  • $4415.65 AR
Copyright Image : © Public
Image
Sexualité & Mariage

Impiry no tokony hanao firaisana ara-nofo ny mpivady ?

26/10/2023 14:56 © Moov.Mg

Anisan’ny fanontaniana manitikitika ny sain’ny maro ny hoe : impiry no tokony hanao firaisana ara-nofo ny mpivady ? Fa inona tokoa ary ireo anton-javatra mahatonga ny mpivady hiray matetika na mahalana kokoa ? Inona ny vahaolana hanatsarana ny fiainana ara-pananahan’ny mpivady ?

Tsy voafaritra mazava hoe impiry no tokony hanao firaisana ara-nofo ny mpivady

Tsy mbola misy ny fikarohana ara-tsiantifika afaka mamaritra mazava hoe impiry no tokony hanao firaisana ara-nofo ny mpivady. Misy moa ireo mpikaroka sasany no milaza fa tokony hiray ara-nofo indray mandeha isan-kerinandro farafahakeliny ny mpivady. Misy kosa etsy andaniny ireo manamafy fa tsy afaka faritana mazava hoe impiry no tena mety.
Amin’ny ankapobeny dia manodidina ny in-2 isan-kerinandro ny mpivady eo amin’ny 18 hatramin’ny 29 taona no miray ara-nofo, izany hoe in-112 ao anatin’ny taona. Ny mpivady 30 hatramin’ny 40 taona dia manodidina ny in-86 isan-taona ary ireo 40 taona hatramin’ny 50 taona dia manodidina ny in-69 isan-taona no manao firaisana ara-nofo.
Tsy misy hatreto ny fikarohana milaza fa misy fiantraikany ratsy eo amin’ny fahasalaman’ny mpivady ny miray ara-nofo matetika loatra na koa ireo izay mahalana vao manao izany. Samy manana ny fomba fiainany ny mpivady tsirairay ary misy ihany koa ireo anton-javatra samihafa mety mampitombo na mampihena ny fanaovan’izy ireo firaisana ara-nofo.

Ireo anton-javatra misy fiantraikany amin’ny fahafahan’ny mpivady miray ara-nofo

Maro tokoa ireo anton-javatra izay misy fiantraikany amin’ny fahafahan’ny mpivady manao firaisana ara-nofo eo amin’ny fiainana andavanandro. Anisan’izany ohatra ny toe-pahasalamana, ny rarin-tsaina, ny filàna ara-nofo, ny fadim-bolana, ny havizanana…
Ireo toe-javatra rehetra ireo dia mety mampihena ny fotoana ahafahan’ny mpivady miray ara-nofo ao anatin’ny herinandro, ny volana na koa ny taona. Matetika moa dia mandalo ihany ireo anton-javatra ireo ka mety mampiovaova ny firaisana ara-nofo ataon’ny vady ao anatin’ny volana samihafa.

Ireo torohevitra hanatsarana ny fiainana ara-pananahan’ny mpivady

Na dia tsy voafaritra mazava ary hoe impiry no tokony hanao firaisana ara-nofo ny mpivady dia fantatra kosa fa mety misy fiantraikany ratsy eo amin’ny tokantranon’ny mpivady ny tsy fahampian’ny firaisana eo amin’izy ireo. Ireto ary misy torohevitra vitsivitsy hanatsarana ny fiainam-pananahan’ny mpivady :
-Mila mifampiresaka sy mifampihaino hatrany ny mpivady mikasika ny zavatra tiana sy tsy tiana atao rehefa manao firaisana ara-nofo ;
-Samy maka fotoana hakana aina ny mpivady mba hanana hery sy fahazotoana hiray ara-nofo ;
-Mila miala voly mba hisorohana ny rarin-tsaina izay mampidina ny filàna ara-nofo ;
-Manantona mpitsabo raha toa ka manana olana amin’ny fananahana na eo amin’ny filàna ara-nofo.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo