• Cours de change
  • 4738.29 AR
  • |
  • $4421.83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Morarano Chrome : Zaza telo maty, may kilan’ny afo

16/08/2023 08:11 © Midi Madagasikara

Nampihoro-koditra ! Aina telo tsy manan-tsiny be izao no indray nafoy tao anatin’ny fahamaizana lasy mololo iray, tao Ambaiboho, Morarano Chrome ny faran’ny herinandro teo.

Zaza avokoa izy ireo, izay amam-bolana ny zandriny indrindra, efa-taona ny manaraka azy ary 10 taona ny zokiny indrindra. Na dia natao ihany aza ny famonjena sy ny famonoana ny afo, dia indrisy fa tsy avotra intsony izy ireo, voafandriky ny afo, efa nijoajoala sy nandevona izay sendra azy.

Ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy teo no nitranga ny loza, araka ny fampitam-baovao azo. Raha ny fampitam-baovao azo avy amin’ireo namana tany an-toerana dia mpanao biriky ny ray aman-drenin’ireto zaza ireto. Noho izay asa izay, dia voatery izy mianakavy kely matory eny an-tanimbary, amin’ny toerana hanaovan’izy ireo ny biriky ary manao lasy eny an-toerana. Lasy mololo araka ny fomba fitenin’izy ireo. Tamin’io fotoana io, raha ny vaovao azo hatrany dia afo tsy maty tsara, avy nandrahoan’izy ireo sakafo hariva no nitarika ny loza. Nahazo ireo mololo maina ka nidedaka, nanampy tosika izany rahateo ny toetr’andro. Tsy ela dia nandray ny lasin’izy mianakavy kely ireto ny afo ary nandevona izany toy ny tsy teo. Raha ny fantatra, vao nanomboka tsy voafehy intsony ny afo dia niezaka nitsoaka sy niantso vonjy ireo ray aman-drenin’izy ireo.

Kanjo ny fotoana nahatongavan’ireo mpamonjy dia indrisy fa efa tsy nisy azo natao intsony ny amin’ireo ankizy tavela tao. Efa nentina nihazo ny vohitra moa ny vatana mangatsiaka an’ireto zaza namoy ny ainy ireto. Misokatra kosa ny fanadihadiana ataon’ireo tompon’andraikitry ny filaminana, noho ity tranga ity nisy ain’olona nafoy. Tsy fitandremana kely foana tokoa no hitondràna takaitra tsy laitra.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo