• Cours de change
  • 4720.51 AR
  • |
  • $4424.05 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Kidnapping Amparafaravola : Hita ihany ilay olona maty notifirin’ny jiolahy

29/08/2023 06:48 © Midi Madagasikara

Roa volana mahery kely taty aoriana, hita ihany ny razana rehefa noporetin’ny zandary ny olon-dratsy izay voasambo-belona.

Ny 23 jiona teo no nalaina an-keriny ny ramatoa roa rehefa notifirina ho faty ny vadin’izy ireo. Isan’izany i Béatrice izay indrisy fa niharan’ny habibiana teny an-dàlana izay nitondran’ireo mpaka an-keriny ireo roa vavy. Notifirina ho faty koa izy ary nalevilevina teny an-dàlana teny.

Ny herinandro lasa teo no hitan’ny zandary ny fieren’ireo olon-dratsy ary raikitra ny fifampitifirana tao Amparafaravola. Avotra ilay vehivavy izay azo lazaina ho sisam-paty. Lavo ny sasany tamin’ireo jiolahy tamin’io fotoana io ary nisy iray azo sambo-belona. Toa fifanandrifian-javatra fa io farany no nitifitra nahafaty an’i Béatrice. Mbola izy koa no nanondro ny nandevenana azy dia tao amin’ny toerana antsoina hoe Ambolosy izany. Miandry ity jiolahy ity ny fitsarana ary hizotra any amin’ny figadràna mandram-pahafaty ny heloka mety hiandry azy.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo