• Cours de change
  • 4720.51 AR
  • |
  • $4424.05 AR
Copyright Image : © Wikipedia
Image
Vaovao

Sakoroka teny Ankatso : Miantso ny firaisan-kinan’ny rehetra ny ministera

29/08/2023 10:23 © Moov.Mg

Tranga iray anisany nafana tamin’ny herinandro lasa teo ny fitokonana izay nataon’ny mpianatra Ankatso ka tonga hatramin’ny fisamborana ny valo tamin’izy ireo.

Manoloana ny korontana izay nitranga ny alakamisy lasa teo teny Ankatso, dia namoaka fanambarana ny ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa omaly alina.

Olana naharitra an-taonany maro

Mandalo fotoan-tsarotra ny sehatry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ankehitriny. Samy mitokona na ny mpampianatra mpikaroka sy ny mpikaroka mpampianatra, na ireo mpianatra. Mifototra amin’ny fitakiana ny tambi-karama izany ho an’ireo mpanabe, raha toa kosa ka miompana amin’ny fampiakarana hatramin’ny 100% ny vatsim-pianarana sy ny fiverenan’ny fampianarana izany ho an’ireo mpianatra.
Manoloana ny zava-nisy, dia nitondra fanazavana mahakasika ny olana sedrainy ny ministera. « Miantso ny rehetra hiaro ny rafi-pampianarana ambony izay miaina fahasarotana hatrany, noho ireo olana aman-taonany maro mivangongo. Maro ny digana efa vita sy ny olana novahana saingy noho ny hamaroan’ny olana, rehefa mivaha ny iray dia misosoka ny iray » hoy ny ministera tao anatin’ny fanambarana izay nataony. Tsy vao izao tokoa no nisy ny fitokonan’ny mpampianatra sy ny mpianatra noho ireo antony izay voalaza tetsy ambony ireo, fa olana efa nisy hatr’izay izany.

Fitadiavam-bahaolana

Manao izay azony atao amin’ny alàlan’ny fahafahana sy ny fahefana misy eo aminy ny ministera. Ary mitady vahaolana manoloana ireo teboka mampikatso ny tontolon’ny Fampianarana ambony sy ny Fikarohana ihany koa. Ao anatin’izany dia miangavy ireo mpampianatra rehetra hamerina ny fampianarana ny ministera, ho tombotsoan’ireo mpianatra hoavin’ny firenena. « Tsy safidy amin’ny asa fotsiny ny Fampianarana sy Fikarohana fa safidim-piainana », hoy hatrany ny ministera nampahatsiahy.
Tafiditra tanteraka ao anatin’ny dingana famahana ny olana ny ministera ankehitriny. Efa eo an-dàlam-pankatoavana ny fahafahana mandoa ny tapany farany amin’ny tambin-karaman’ireo mpampianatra an-tselika izy ireo. Efa dinihina tsikelikely ihany koa ireo teboka nahazoana fitarainana ary efa natolotra ny filan-kevitra izany.

Manameloka ny fampiasana ny herisetra

Nitodika tamin’ireo mpianatra ihany koa ny ministera tao anatin’izany fanambarana izany. Miantso ireo mpianatra mba hanana toetra mendrika hatrany ny ministera rehefa misy ny fitokonana toa izao. Raha tsiahivina tokoa mantsy dia nisy ny tora-bato sy ny teny tsy mendrika nifanaovan’ireo mpianatra tamin’ny mpitandro ny filaminana, tamin’io alakamisy io.
Fa ambonin’izany dia nanamafy ny ministera fa « manameloka ny fampiasana ireo herisetra izay natao tamin’ny mpianatra, izay tsy tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny asa fitandroana ny filaminana ary mitaky ny tsy hiverenan’izany intsony. » Nisy tokoa mantsy ny fikasihan-tànana tsy ara-drariny izay nataon’ireo mpitandro ny filaminana nandritra ny fisamborana ireo mpianatra.
Miantso ny rehetra mba ho tony ny ministera fa indrindra indrindra, manentana ny rehetra mba hifanome tànana ho fanatsarana io sehatra io, izay antoky ny ho avin’ny firenena.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo